Mamely Indray Ny Avaratra-Atsinanan'i Shina Ny Airpocalypse

Northeastern University's campus. Photo by a student, anonymously distributed online.

Toerana fonenan'ny mpianatra ao amin'ny Anejrimanontolo ao Avaratra-Atsinanana. Sary avy aminà mpianatra iray, nozaraina tsy nitononana anarana tety anaty aterineto.

Iray amin'ireo faritra indostraly voalohany ao Shina i Liaoning. Avy amin'ny fitambaran'ny faritany roa, Liaodong sy Liaoxi, sy fari-piadidiana dimy, mitolona amin'ny fitontonganana ara-toekarena ilay faritra. Tena vao haingana i Liaoning no niatrika ihany koa ilay antsoina hoe “airpocalypse” avy amin'ny fahalotoan'ny rivotra.

Nanomboka ny 5 Novambra, rakotra setroka mampidi-doza ireo tanàndehibe maro ao  Liaoning, isan'izany ny renivohiny, Shenyang, izay tonga amin'ny fetra farany ambany ny firaketana ny kalitaon'ny rivotra ao an-toerana tamin'ny 8 Novambra, in-130 voatilin'ny Fikambanana Iraisampirenena misahana ny Fahasalamàna (OMS) ho ambanin'ny refy heverina fa tsy mampidi-doza.

Nahitàna PM 2.5 tamin'ny fatra ambony indrindra 1326 μg/m3 ny 8 Novambra teo ny rivotra tao Shenyang. Ny PM2.5 dia singa faran'izay bitika noho ny 2.5 micrometers. Tany amin'ny distrika sasany tao an-tanàna, ny tondro dia nirakitra fatra avo hatramin'ny 1400 μg/m3.  Mety mipetraka eny amin'ny rivotra mandritry ny andro maro ireny singa mpandoto ireny, na herinandro maro, ary miditra any amin'ny taovam-pisefoan'ny olombelona, miteraka  aretin'ny havokavoka, homamiadan'ny havokavoka, emphysema, na fahafatesana mialoha ny fotoana ho an'ireo olona manana aretin'ny fo na ny havokavoka. Araka ny torolàlan'ny OMS momba ny resaka fahalotoan'ny rivotra, lazaina fa mampidi-doza ny rivotra rehefa hita eo elanelan'ny  301-500 μg/m3 ny fatran'ny  PM 2.5 ao anatin'ny rivotra.

Ahiahian'ireo manampahaizana momba ny tontolo iainana ho ampahany amin'ny fiakaran'ny fahalotoan'ny rivotra ny fitomboan'ny habetsahan'ny fandoroana arintany, mololo na zavatra hafa fanafanàna. Vokany, voalohany teo amin'ny tantarany ny birao momba ny tontolo iainana ao  Shenyang no nametraka drafitra vonjitaitra ho fiatrehana izany.

Screenshot: PM2.5 reading of Shenyang on November 8 from Aqistudy.cn, an air-quality monitor website.

Pikantsary: famakiana ny PM2.5 tao Shenyang ny 8 Novambra, avy amin'ny Aqistudy.cn, tranonkala iray fanarahana maso ny kalitaon'ny rivotra.

Drafitra tsy mahomby hiatrehana ny hamehana

Takian'ilay drafitra ofisialy hiatrehana ny hamehana noho ny havesatry ny fahalotoan'ny rivotra ny hampitsarahana vonjimaika ireo asa fanorenana eny ivelan'ny trano sy hamerana ny isan'ny fiara mifamoivoy eny an'arabe, saingy mbola hitan'ny mpanao gazety avy amin'ny masoivohom-baovao Xinhua fa mbola misy ihany toerana fanorenana manohy miasa. Tsy najain'ny fifamoivoizana ao an-tanàna ihany koa ilay famerana ny fiara mivezivezy.

Mitombo be mihasorena, maro amin'ny vahoaka sy ireo media no mamerina manontany ny maha-drafitra mahomby ilay nataon'ny tanàna hiatrehana ny hamehana.

Bi Deli, manmpahaizana iray momba ny arintany ratsy kalitao ao amin'ny Akademian'ny Siansa Sosialy ao Liaoning, niteny tamin'ny mediam-panjakàna fa tsy ampy ny fepetra ahafahana mampihatra ny sasany amin'ireo drafitra ofisialy natao hiatrehana ny hamehana :

一份预案看起来面面俱到,实际上可操作性怎样?各个部门之间应该如何联动?在极端重污染情况下,如果老百姓对相关污染状况知之甚少,或还是通过口口相传来了解污染程度、防护措施,那么这样的预案就会成为一纸空文。沟通渠道不畅通,各项指令不能真正落实,这样的“梗阻”很难真正收到实效。

Toy ny mamaha ireo olana goavana ilay drafitra, saingy manao ahoana ny fahafahana mampihatra azy io? Manao ahoana ny fifandraisana eo amin'ireo samy departemanta ofisialy? Raha misy fahalotoana henjana be, raha toa ka zara fa misy fantatry ny vahoaka ny momba ilay toedraharaha, ary avy amin'ny honohono sy tsaho no ahafantaran'ny olona ny haavon'ny fahalotoana sy ny fepetra tokony horaisina, tsy misy ilàna azy intsony ilay drafitra. Raha tratry ny kendaroroka ireo fantsona fifandraisana [eo amin'ny fitantanan-draharaha ofisialy] ary tsy afaka aparitaka na ampiharina ireo torolàlana, tsy ho mora ny hamaha ilay olana.

Nanohy ny fampianarana ny lisea sasantsasany, nanitsakitsaka ihany koa ilay fepetra nataon'ny tanàna hiatrehana ny hamehana. Raha tokony ho nampitsahatra ny fampianarana, ohatra, ny sekoly iray, dia naleony fotsiny niteny tamin'ireo mpianatra mba tsy hanao fampiasàna vatana ivelan'ny trano. Namaly ny hafatry ny mpitantana ny mpianatra iray tao amin'ilay sekoly, nanehoany ny hadisoam-panantenany tao amin'ny Weibo, ilay tolotra fanoratana bilaogy bitika ao Shina :

作为沈阳的一名高二学生,我接到校讯通时候深深对教育部门表示失望。

通知:明天沈阳市天气处于橙色二级状态,按上级有关部门要求,要求我校同学明日停止一切教室外活动,注意关好门窗,并且上学、放学期间佩戴好口罩,做好一定的预防工作,学校也会停止一切室外大型活动,希望全体学生和家长周知。--28中学管理办公室管理员 11月08日

Amin'ny maha-mpianatra zokiny ahy eto amin'ny lisea Shenyang, somary diso fanantenana ihany amin'ny departemantan'ny fanabeazana aho, taorian'ny naharaisana ity hafatra ity.

Fanamarihana: Ho eo amin'ny Haavo 2 ny toetrandro eto Shenyang rahampitso. Araka ny didy avy amin'ny fanjakàna, tokony hampitsahatra ny fampiasàna vatàna ivelan'ny trano ny mpianatra rehetra eto amintsika, hanidy varavarankely, hitondra sarontava ary tsy ho any an-tsekoly sy handray izay fepetra mifanaraka amin'izany ho fisorohana ny fahavoazana. Ho atsahatry ny sekoly avokoa ireo hetsika rehetra fanao ivelan'ny efitrano. Antenainay fa ho voazara amin'ny mpianatra sy ny mpampianatra rehetra ity hafatra ity. [Sonia] Ny Mpitantan-draharaha ao amin'ny Birao Fitantanana, ho an'ny Kolejy No. 28, 8 Novambra.

Nokianin'ny mpianatra iray hafa avy ao amin'ny lisea ny Departamanta miahy ny Tontolo Iainana sy ny Fanabeazana :

沈阳雾霾严重污染,环保部门和教育局为什么不停课?这是对学生身体健康状况的忽视,也是对沈阳环保的无视,这不仅关系到学生的身体健康,也关系到老师的健康。我就搞不明白了,北京雾霾,停课;上海雾霾,停课;到我们大沈阳,停止户外活动,这是要把沈阳学生的体质搞差的节奏吗?

Misy fahalotoana henjana be eto Shenyang, koa nahoana no tsy nosakanan'ny Departemanta miahy ny Tontolo Iainana sy ny Fanabeazana ny fampianarana? Manao tsinontsinona ny fahasalaman'ireo mpianatra sy ny fijerena izay tsy hampidi-doza io, miantraika amin'ireo mpianatra sy ny mpanabe ihany koa. Tena tsy takatro. Rehefa tonga tao Beijing sy Shanghai ny setroka tahàka izao, dia hatsahatr'izy ireo daholo ny fampianarana. Saingy eto Shenyang, ny fampiasàna vatana ivelan'ny efitrano ihany no nofoanana. Tian-dry zareo hidiran-doza ve ny fahasalaman'ny mpianatra ?

Sempotry ny akora fandrehitra azo avy amin'ny zavatra lò

Fampahatsiahivana tsy azo ivalozana ny vokadratsin'ny fanjifàna arintany ao Shina ilay setroka be manempotra ao Shenyang, fanjifàna efa nahatratra ny  4,12 lavitrisa taonina isantaona tamin'ny 2012.

Ho an'ny faritra avaratra-atsinanan'i Shina, ny fandoroana arintany no efa fomba fanafanàna nahazatra hatrizay. Tamin'ny ririnina lasa teo, tao Shenyang, efa ho 18 tapitrisa taonina ny arintany narehitra mba hahazoana hafanana ho an'ireo mponina ao an-toerana. Tamin'io vanimpotoana iray io monja no nahavitan'ny tanàna nandàny ny 60% amin'ny fanjifàny arintany ho an'io taona io.

Vao mainka manasarotra ny toedraharaha, miantehitra aminà arintany ratsy kalitao ireo mponina ao Shenyang, izay ambony be ny fatran'ny solifara sy lavenona ao aminy. Raha fitaovana efa tranainy be no ampiasaina handoroana azy, mandefa dioksidanà solifara avo fatra, oksidanà azota, sy kasinga hafa mpandoto ny arintany ratsy kalitao, kasinga izay tena fositra miteraka setroka mamono.

Tany ampiandohan'ity taona ity, nofidian'ny governemantan'i Shenyang ny hiala amin'ny fomba fakàna hafanana amin'ny arintany ka hampiasa ny azo amin'ny herinaratra amin'ny hoavy. Natao io tetikady io mba hampidinana ny fatran'ny fanjifàna arintany 35 kg isaky ny metatra toradroa  ho lasa 22kg.

Ao anatin'ilay Dafitra-Dimy Taona faha-13 ao Shina, nanome toky ny governemanta foibe fa hampidina ny fiankinandoha amin'ireo akora fandrehitra azo avy amin'ny zavatra lò ary hampiroborobo ny angovo madio. Efa hitan'i Shina ny fanapahana tahàka izany tany aloha tany, kanefa, toa mbola ho lavitra ny làlana aleha mankany amin'ny revolisionan'ny fanatsaràna kalitao ny rivotra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.