Lahatsoratra farany an'i avylavitra tamin'ny Jona, 2021
Naoty karaibiàna nataon'i Hokkaido
Ao anatin'ny tanàna kely iray any amin'ny nosy farany avaratra ao Hokkaido, firy ny vintana mety hitontonanao amina Japoney iray miteny espaniôla, miaina sy miasa any amin'ny Repoblika Dominikàna nandritra ny...
Sangany amin'ireo media belarosiàna, namafa lahatsoratra an-tambajotra mba hiarovany ny mpiasa
Nesorin'ny toniandahatsoratry ny Tut.by daholo ireo votoaty virtoaly navoaka tamin'ny ankamaroan'ireo fantsom-baovaony tety anaty media sôsialy tamin'ny 2020 sy ny tapany voalohany ho an'ny 2021, anatin'ny tena mampafàna ny hetsipanoherana taorian'ny fifidianana.
Nohamafisin'i Hong Kong ny lalàna mifehy ny fiainana manokana hanoherana ny “doxxing”
Raha lany ilay lalàna, moa ve hampihatra tsy misy fiangarana azy io ny Kaomisera mpiaro ny Fiainana Manokana, handray an-tànana ny "doxxing" tsy ijerena izay (tena na heverina ho) fironana politikan'ilay iharany?
Lisitra nandaharana sarimihetsika maitso: Sarimihetsika fohy aziatika miresaka tontolo iainana
Asongadin'ireo sarimihetsika ireo ny tolon'ireo vondrompiarahamonina isankarazany hiarovana ny tanin-dry zareo, ny tontolo iainany ary ny lovany ara-kolontsaina.
Taorian'ny fanakatonana ny Apple Daily, namafa lahatsoratra sy nampiato famandrihana ilay media nomerika Stand News ao Hong Kong
Nilaza ilay famoahambaovao nomerika Stand News fa hanàla lahatsoratra fanehoankevitra sy tsanganana navoakany talohan'ny volana May ary hampiato ny fanekena fanomezana mba hampihenana ny mety ho kinanga hanjo azy araka ny lalàna momba ny filaminam-pirenena.
Trinité : Toherin'ireo mponina ny fitrandrahana an'ilay toerana ao amin'ny sahandriaka sisa tsy voakitika ao amin'ny faritra
Tsy zakan'ireo mponina intsony ny fiantraikan'ny fandotoana rano aterak'ireo fitrandrahana. Ezahan'izy ireo ny manakana famoronana toeram-pitrandrahana vaovao mba hiarovana ny tontolo iainana.
Nohavaozinay ny Torolàlana momba ny Famerenana Mamoaka Lahatsoratra GV: Ireto no tokony ho fantatrao
Raha olom-baovao amin'ny vondrompiarahamonina GV ianao, na tsy dia mbola zatra loatra miaraka amin'ny fametahana lisansa Creative Commons sy ny fomba fiasàny, amporisihanay ianao hiverina hijery ny pejy nasiana fanavaozana momba ny Torolàlana Famerenana Mamoaka Lahatsoratra.
JEREO/HENOY: “Beyond the Protest Square (Mihoatra lavitra ny Kianjam-Panoherana),” tafa niarahana tamin'i Tanya Lokot
Tsy nahita ny fandefasana nivantana ny webinar tamin'ny 17 Jona nataon'ny Global Voices ary nanasongadinan'i Tanya Lokot ilay bokiny "Beyond the Protest Square" ve? Ireto ny lahatsary sy feo ary e!
Fiarovana bebe kokoa anaty aterineto, tsy natao ho an'ny ao Azia Afovoany
"Tokony ho ampiharin'ny Apple tsy asiana fiangarana sy amin'ireo mpanjifany rehetra ny fepetrany momba ny resaka tsiambaratelo sy ny zon'olombelona – na aiza na aiza firenena misy ireny mpanjifany ireny"
Bemidina tamin'ny andro alina tao amin'ny Oniversite Boğaziçi, raha ireo mpianatra kosa manohy hatrany ny fanoherany ny fitsabatsabahana amin'ny raharahan'ny campus
Enimbolana aty aoriana, mitohy hatrany ny fanoheran'ny mpianatra, alumni ary mpiasan'ny oniversite an'i Melih Bulu voatendrin'ny fanjakàna, sy ny politikany izay lazain-dry zareo fa manimba ny kolontsaina demaokratika ao amin'ny 'campus' toeram-ponenan'ny mpianatra.