Lahatsoratra farany an'i avylavitra tamin'ny Desambra, 2020
Salvadôriana 1 amin'ny 10 no tratry ny aretina mitaiza ny voa (MRC), ka isan'ireny ny ankizy
Maro dia maro ny olona erantany, sy ao Salvador, no tratry ny aretina mitaiza mahazo ny voa (MRC) noho izy ireo ianjadian'ny vokatra simika fampiasa amin'ny fambolena ary ny tsy fahampian-drano.
Ny filaminana no laharam-pahamehan'ny governemanta vaovao orogoaiàna… tsy iraharahiana ny fahalalahana maneho hevitra?
Toy ny kihondàlana ara-tantara no fisehon'ilay lalàna "Ley de Urgente Consideración" eny anatin'ny adihevitra ampahibemaso
Lasa mpirafy ve i Beijing sy Carrie Lam avy ao Hong Kong?
Nikomy tamin'i Carrie Lam, lehiben'ny mpantanteraka, ny ankolafy mpomba an'i Beijing tao Hong Kong, tamin'ny fampiasàna ho antony ny tsy nahavitàn'ny tanàna nifehy ny fiparitahan'ilay valanaretina COVID-19.
Shina: Tovovavy iray avy ao Yunnan, niboridana ho fitakiana ny rariny
Inona no tena irian'ilay tovovavy? Ny hany valiny dia hoe: ny fahalalahana miteny izay lalain'ireo mpanao gazety fatratra ary ny fitaomana entin'ireo media....satria ananan'ireo mpanao gazety ny fahafahana mampiasa ny zo hiteny, zo izay tsy ananany, sady koa tsy ho ananany velively ny fahafahana mitaona fiarahamonina toy ny an'ny gazety
Pakistàna : vehivavy mikarakara hetsika nasiônaly ho setrin'ilay fanolànana nahavaky fo
Nomarihan' ireo vehivavy nikarakara ny hetsipanoherana ny fandàvan-dry zareo ny fanantonana imasombahoaka, izay antso iray miverimberina ao Pakistàna isaky ny lasa lohateny vaventy anaty gazety ny tranga fanolanana
Ny 14 Desambra, miaraha aminay HIRESAKA MIVANTANA ny ‘Belarosia 2020: Mbola mampakatra hatrany’
Miaraha aminay sy ireo vahiny telo nasaina mba hanao jeritodika ireo tranga miseho any Belarosia taorian'ny fifidianana izay ho filohampirenena natao tamin'ny Aogositra. Handeha mivantana ao amin'ny Zoom sy ny Facebook ity hetsika ity.
Pakistàna: Sazy henjana kokoa ho an'ny fanolanana, isan'izany ny famosirana amin'ny fomba simika
Resahan'ireo lalàna vaovao ny endrika maro amin'ny dingana momba ny heloka bevava, isan'izany ny fanitàrana ny famaritana ny atao hoe fanolanana, izay noarahabain'ireo mpikatroka. Mbola misy anefa teboka hafa naharaisana fanehoankevitra mifamahofaho
Pakistàna: mety ho voarara noho ilay lalàna vaovao ‘henjana dia henjana’ ireo sehatry ny media sôsialy
Niteraka fanakianana avy amin'ireo vondrona mpiaro zon'olombelona sy ireo orinasa momba ny teknolojia ireo fepetra vaovao manome fahefana ny fanjakàna handrindra ny votoaty ety anaty aterineto sy handrara manontolo ireo sehatra sôsialy
Didim-pitsaràna tao Trinidad & Tobago manome alàlana ny fandroahana zaza Venezoeliàna tsy ampy taona
. Taorian'ny nandroahana hiverina an-tanindrazana ilay andiana Venzoeliàna, ary avy eo naverina tao Trinidad & Tobago, mpitsara iray avy ao amin'ny Fitsarana Antampony no namoaka didy hoe manana zo hampihatra ny lalàna anatiny ny fanjakàna
Pakistàna : Nibaboka ilay mpamono olona misesisesy fa nampiasa ny tambajotra sôsialy hamandrihana ireo pelaka hovonoiny
Nanamafy ilay voalaza ho mamono olona fa mba hiampangàna ny fiparitahan'ny fametavetàna zaza no antony. Atahoran'ireo mpikatroka sasany ny hitehafana azy ho toy ny maherifo