Lahatsoratra farany an'i avylavitra tamin'ny Jona, 2015
5 Taona Lasa Izay No Nanombohan'ny Fiadiana Ny Ho Tompondaka Erantany FIFA 2010. Mahatsiaro Ireo Fotoana Mamy i Afrika Atsimo.
Ny 11 Jona 2010, nampiantrano ny hetsika ara-panatanjahantena goavana indrindra erantany i Afrika Atsimo. Sambany nisy taty amin'ny tanibe Afrikana zany.
Na Eo Aza Ny Fanoheran'ireo Orinasa, Miroso Ho Amin'ny tolodalàna “Zo Hohadinoina” i Rosia
Isisihan'ireo mpanao lalàna ny handaniana ilay tolodalàna vaovao iray izay hitakiana amin'ireo fitaovana fikarohana ao Rosia mba hamafa ny rohy mankany amin'ny mombamomba sy ny votoaty, niainga avy tamin'ny fangatahan'ireo mpampiasa
33 Taty Aoriana, Nesorina Tanaty Lisitr'i Etazonia Misy ireo Firenena Mpanohana Fampihorohoroana i Kiobà
The list is reserved for nations that, according to the US government, repeatedly provide support for international acts of premeditated, politically motivated violence against non-combatants. Ity lisitra ity dia famaritana iray natokana ho an'ireo firenena izay, ho an'ny governemanta Amerikana, manohana miverimberina ireo fihetsika feno herisetra nomanina mialoha eo amin'ny sehatra iraisampirenena, atosiky ny fironana politika atao amin'ireo tsy mpiady akory.
Toa Hoe Manaiky Hiforitra Amin'ilay Lalàna Momba ny Angon-drakitra Fijerena Toerana Ao Rosia ny Samsung
Ny honohono momba ny fiondrehan'i Samsung manoloana ilay lalàna vaovao momba ny angon-drakitra fijerena toerana dia tonga tao anatin'ireo tsaho nilaza fa marobe ireo orinasa goavana hafa momba ny teknolojia no nanaiky ny hamindra ny angona momba ireo mpampiasa azy ireny ho any amin'ireo lohamilina ao Rosia.
Razokibe Totozy Sy Elefanta Iray : Fomba Misy Fahaiza-mamorona Ho Fanapariahana Ny Boky Ao Laos
"Mandritry ny fotoana famakiana boky dia manao vakiteny amin'ny feo avo izahay, milalao, mihira momba ny boky, ary manolotra boky ho lasa tena an'ny ankizy tsirairay, izay mazàna no boky voalohany nananany teo amin'ny fiainany."
Fanarahamaso Ny Fifidianana Antenantenam-Potoana Ao Meksika Miaraka Amin'ny #BreakTheFear
Nandritry ny fifidianana tao Meksika tamin'ny Alahady lasa teo, nanao fanentanana nomeny anarana hoe #RompeElMiedo (#ReseoNyTahotra) ny fikambanana ho an'ny fahalalaham-pitenenana ARTICLE 19 mba hanarahana maso ny fiarovana ireo mpanao gazety sy mpikatroka mpiaro zon'olombelona
Aina Ny Rano Ho An'ny Vahoaka Sarayaku Ao Ekoatora
Manampy hahatakatra ny fanolorantena tsy miato mba hiarovany ny tanin-dry zareo amin'ny fitrandrahana solika, entona ary mineraly ireo lahatsary dizitaly mivantana avy any amin'ny faritanin'ny Sarayaku ao amin'ny Amazona Ekoatoriana.
Mpikatroka Rosiana: Mampiasa Ny Kiraro Avo Vodintongotra Sy Rojon'Alika Hanoherana Ny ‘Lalàn'ireo Tsy Mifaditra Ovana’
Natolotra ny Domà tamin'ny May lasa teo ny fanaovana lalàna iray mety hanitatra ny raharaha izay azon'ireo mpiandry fonja ampiasàna hery—hatramin'ireo fepetra mahafaty—rehefa miatrika ny zavatra rehetra miainga avy amin'ny famakiana fonja ka hatramin'ny gadra iray tsy manaiky fandaminana.
‘Tsy Heloka Bevava Ny Fanoratana Rindrambaiko': Any Am-ponja No Mankalaza Ny Faha-40 Taonany Ilay Iraniana Mpamorona Tranonkala
"Tsy rariny ny fanohizan'ny governemanta Iraniana mitàna am-ponja injeniera iray manana talenta satria hoe fotsiny ny rindrambaiko noforoniny no nampiasain'ny sasany hanaovana zavatra tsy araka ny lalàna"
Mpikatroka Okrainiana: Ny Fomba Ampiasàny ny Youtube Hanoherana Ny Kolikoly Any Amin'ny Fitsaràna
Amin'ny alàlan'ny lahatsary ety anaty aterineto, ny fampitàna mivantana, ary ny fahaizana lalina ny resaka lalàna, noraisin'ny "Open Court," vondrona ahitàna mpisolovava sy mpikatroka mafàna fo mpiaro zon'olombelona, ho raharahany manokana ny ady hatraiza hatraiza atao amin'ny kolikoly any amin'ny rafi-pitsarana.