Lahatsoratra farany an'i avylavitra tamin'ny Septambra, 2021
Tanora telo ao Melbourne, aingampanahy ho an'ny maro noho ilay tranonkala fanjohian-dry zareo ny angondrakitra momba ny COVID-19
"Nahavita ny fatra voalohany tamin'ny vaksiny [izahay]. Ity no noheveriko fa fotoana iray tsara hizaràna ny tena maha-izahay anay. Ravoravo fa tafiditra ihany anatin'ireo angondrakitray izahay!!"
Medaly 19 no nentin'ny ekipan'i Azerbaijàna nody avy any amin'ny lalao Paralaimpika
19 no fitambaran'ny medaly azon'ny tarika avy ao Azerbaijana: 14 volamena, 1 volafotsy, ary 4 alimo.
Belarosia: nanapaka hevitra ireo manampahefana fa hofoanana ny toeram-pialofan'ireo niharan'ny herisetra an-tokantrano
Ilay fanafoanana dia ampahany amin'ny famoretana amin'izao fotoana izao atao an'ireo ONG, media tsy miankina, ary mpikatroka izay nihamafy tamin'ity lohataona ity, taorian'ny herintaona nisian'ny hetsipanoherana an'ireo fifidianana feno hosoka.
Nandritra ny fihibohana vokatry ny valanaretina, nitombo be izay tsy izy ny fanararaotana ara-nofo nataon'ireo mpampiasa tamin'ireo mpiasa an-trano tao Hong Kong
Navoitran'ny fanadihadiana iray nataona vondrona mpiaro zon'olombelona fa manodidina ny 40.000 eo ireo vahiny mpiasa an-trano no tsy nanam-pitsaharana nandritra ilay valanaretina, ary 20.000 amin'ireo no tsy nahazo afa-tsy andro iray ho fitsaharana isambolana.
Afobe mandravarava an'i Makedônia Avaratra, manimba ireo ala sisa tavela
Ho fiatrehana ireo firehetana any an'ala izay mandravarava ny avaratr'i MAkedônia, nambaran'ny governemanta ny fisian'ny hamehana
Taorian'ny namonoan'ny lehilahy koetiàna iray ny vehivavy iray tao amin'ny fianakaviany, nohavaozina ireo antso hisian'ny fiarovan'ny governemanta
Angatahan'ireo mpikatroka ny hanomezana fialofana ho an'ireo vehivavy miatrika herisetra an-tokantrano, ary hanafoanana ny andininy faha-153 ao anatin'ny didy famaizana ao Koety, izay manalefaka ny heloka natao hiarovana voninahitra.
Mpanao hetsipanoherana ny fanaovana vaksiny, nanao bemidina tao amin'ny haino-vaky-jerim-panjakana, nandrahona mpanao gazety
Voatery ny pôlisy slôveniàna nanaisotra tamin-kery ireo olona roapolo mahery manohitra ny fanaovana vaksiny no sady tsy nanao arotava sy naniratsira mpanao gazety.
Songadina Global Voices Aogositra 2021
Ireo lohahevitra nisarika ny mpamaky antsika tamin'ny volana Aogositra: ny dobo filomanosana, ny fahafatesan'ny poeta karaibiàna iray be mpankafy, ireo vehivavy mhazakazaka toy ny rivotra, ny fampandihizana kibo.
Manamboninahitry ny polisy roa nasandratr'i Hong Kong hitarika ny governemanta
Sambany izao hatramin'ny nampitambarana an'i Hong Kong indray tamin'i Shina no nisy manamboninahitra fahiny tao amin'ny pôlisy notendrena ho amin'ny toeran'ny sekretera jeneraly.