Lahatsoratra farany an'i avylavitra tamin'ny Febroary, 2015
Tolo-dalàna Rosiana Handraràna Ny Vehivavy Latsaky Ny 40 Taona Tsy Hifoka Sigara
“Ny vehivavy mifoka sigara,” hoy ny naoty fanazavana miaraka amin'ilay tolodalàna, “dia manimba ny fanànana anaka, hiteraka fahasimbana tsy azo tsaboina amin'ny tahirin-tarazon'ny firenena.”
Karaibiana Mpianatra Lalàna, Mirotsaka Miady Amin'ny Fanondranana Olona
"Ninoanay fa tsy dia nahazo loatra ny fahatakàrana tokony nomen'ny rehetra azy ny fandinihana ny olan'ny fanondranana olona, ary andraikitray ny misarika ny saina hifantoka amin'izy io."
Maoske ao Però: Voahangin'ireo Miozolmana Mpifindra Monina Any Amerika Latina
Maoske roa ao Però, any Tacna Atsimo sy Lima renivohitra no nojeren'ny Global Voices.
Noho Ny Fanekena Ny Pelaka Tao Hong Kong, Naka Lokon'ny Avana Ny Valopin'ny Taombaovao
Vondrona iray misy ireo mpikatroka mafàna fo no nanolotra ireo valopy efa mahazatra hatramin'izay, saingy tsy vola no tao anatiny fa ny tantaram-piainana tena izy momba ny fanamby atrehan'ireo pelaka lahy sy vavy mandritry ny fotoana firavoravoana.
Fanentanana Hanoherana Ny Herisetra Atao Ny Vehivavy Atao Anaty Tononkira Reggae: Dingana faha- 2
Vao haingana ny Usa la razón no namoaka sary marobe, nalefany tao amin'ny pejiny Facebook, izay—tena mahery setra—mampiseho ny herisetra voafaritra any anatin'ny tononkiran'ireo hira malaza izay matetika no lalaovina imasom-bahoaka.
Ny Azon'ny 1 Dolara Anananao Ao Kiev
Inona no azo vidiana amin'ny iray dolara ao Kiev? Zavatra vitsivitsy monja, raha ny marina! Nangonin'ny olona iray mavitrika mpampiasa media sosialy ireo hevitra mahaliana kokoa mba ho ao anaty lahatsoratra iray anaty bilaogy .
Vakio Ato Ny Fitantaràna Voalohany – Tsy Nifindra Tànana – Momba Ny Daroka Baomba Tao Hiroshima Sy Nagasaki
Manamarika ny faha-75 taonan'ny daroka baomba atomika tao Hiroshima sy Nagasaki ny Aogositra 2015
Netizen Report: Afaka Matoky Ny Facebook Ve Ny Tibetàna?
Mitohy ny fanivànana media sosialy ao Shina, ary Bosnia sy Herzegovina mamerina mamaritra ny atao hoe "kianjam-bahoaka", ary lavin'i Angletera valifaty noho ny resa-betaveta.
Taratasim-pitiavana Ho An'i Bassel Khartabil, ilay Syriana-Palestiniana Voafonja
Satria tsy mba lasa ho lohateny vaventy manerana izao tontolo izao ny fifandonana mitranga ao Syria, dia manoratra antso iray i Leila Nachawati, aingam-panahy nalainy avy amin'ny taratasim-pitiavana iray nosoratana tamin'ny Andron'ny Mpifankatia ho an'ilay bilaogera voafonja, Bassel Safadi.
Manamarika Ny Fanombohan'ny Aretin'andoha Rehefa Lohataona Ny Fahatongavan'ny Vovoka Mavo Ho An'i Japana
Miaina ny androny voalohany isian'ny "vovoka mavo" amin'izao fizaràn-taona izao i Fukuoka ao Japana, volana telo mialoha ny tokony ho izy.