avylavitra · Mey, 2017

Lahatsoratra farany an'i avylavitra tamin'ny Mey, 2017

Pôrtô Rikô: Kolikoly Mameno Ny Departemantan'ny Polisy

  29 Mey 2017

Nisambotra olona 133 tao Pôrtô Rikô ny Birao Federaly mpanao Fanadihadiana (FBI), ka polisy ny 89 tamin'ireo, tao anatin'ilay antsoin'ny Departemantan'ny Fitsaràna Amerikana hoe "ny fanadihadiana goavana indrindra tamin'ny resaka kolikolin'ny polisy teo amin'ny tantaran'ny FBI".. Maneho hevitra ny tontolon'ny bilaogy.

Ejipta: Gaza No Lohateny Vaventy

Entin'i Eman Abd Al Rahman ho antsika ireo lohateny vaventy avy amin'ny tontolon'ny bilaogy Ejiptiana milaza ny fahorian'ireo Palestiniana tao Gaza tamin'ny Janoary 2008. Andro efatra nanaovana fahirano nampilentika an'i Gaza ho anaty haizina, niteraka antso iraisampirenena sy hatezerana teny amin'ny arabe Arabo ho fampitsaharana ny fandripahana.

Fiarahamonina ho an'ireo Mitondra Otrikaretina SIDA

  22 Mey 2017

Nampangain'ireo vondrona isankarazany mpiaro zon'olombelona ny governemanta Kambodziana ho nametraka tsy araka ny sitrapony fiarahamonina iray ho an'ireo mitondra otrikaretina SIDA rehefa nametraka fianakaviana 40 miaina miaraka amin'ny otrikaretina VIH sy SIDA ho any amin'ny vohitra iray 25 kilaometatra miala ny tanànan'i Phnom Penh

Bahrain: Ramadany Iray sy Eid Iray

Miankina amin'ny fijerena ara-bakieny ny volana vaovao ny fiandohan'ny volana masin'ny Ramadany, miteraka datin'andro samihafa ho fanombohana azy any anivon'ireo sekta Miozolmana isankarazany. Tamin'ny taona 2009 ny Sionita sy ny Shiita tao Bahrain dia niaraka nanomboka ny volana taminà andro iray - ary nankalaza izany firaisana tsy fahita firy izany ny bilaogera iray.

Singapaoro: Tanàna Sa Firenena?

  20 Mey 2017

Tanàna ve sa firenena iray i Singapaoro? Toa adaladala ihany io fanontaniana io satria fantatra erantany i Singapaoro amin'ny maha-firenena mahaleotena azy. Saingy ho an'ny Ministry ny Lalàna ao Singapaoro, K. Shanmugam, tokony ho toy ny fitondra tanàna iray no hitondràna an'i Singapaoro. Niteraka adihevitra tao amin'ny haino aman-jery sosialy io fanamarihany io.