Tao Anatin'ny Fotoana Mangidy Indrindra Ho Azy No Namiràtan'ny Tsara Indrindran'i Parisy

Peace sign designed by Jean Julien following the attacks in Paris - via twitter - Public Domain

Mariky nasiam-panamboarana ho an'ny fandriampahalemana, taorian'ilay fanafihana tao Parisy (Jean Julien no nanao ny tena izy)  – tao amin'ny twitter – Sehatra ho an'ny daholobe

Ny 13 Novambra 2015, nisy tifitra nikendrena hahafatesana olona maro sy fanaovana vy very ny aina nitranga tao amin'ny distrika faha-10 sy faha-11 tao Parisy, hatrany amin'ny faritra avaratra manodidina tany Sant-Denis .

Fipoahana telo samihafa no nirefotra tany akaikin'ny Stade de France, toerana nisy lalao baolina kitra nihaonan'i Frantsa sy Alemàina, raha nahafaty olontsotra ampolony maro koa ireo tifitra enina nikendrena olona maro. Ilay fanafihana  tao amin'ny teatra ao Bataclan, toerana nakàn'ireo mpanafika ho takalonaina sy namonoany 80 raha kely indrindra tamin'ireo mpankafy kaonseritra, no tena nampandriaka rà be indrindra. Valo ny mpanafika maty, fanampin'ireo roa nanao vy very ny ainy nanapoaka baomba.

Tamin'ny 14 Novambra, olona 128 raha kely indrindra no voalaza fa maty. Fanampin'izany, olona maherin'ny 300 no naratra nandritra ilay fanafihana, nahitàna 80 tao anatin'ny lisitra tena naratra mafy ahiana ny ainy .

Nanambara ny fepetra fanao amin'ny tany misy hotakotaka ny Filoha Frantsay, François Hollande, ary nanakatona vonjimaika ny sisintany rehetra ao Frantsa, sambany hatramin'ny 1961 no nandraisana fepetra tahaka izany.

Ity no zavadoza ratsy indrindra nandòna an'i Parisy taorian'ireo fanafihana ny Charlie Hebdo tany amin'ny volana Janoary tamin'ity taona ity.

Nifoha tao anatin'ny horohoro sy ny tahotra ny tanàna satria feno andianà polisy manao fisafoana ny arabe. Marobe ireo hafatra fiarahana miory sy firaisankina nalefa taorian'ireo fanafihana, na izany tamin'ireo fampiasa ho an'ny hafatra manokana na ireo sehatra fifampiresahana ho an'ny daholobe.

Nihisatra ireo tambajotra finday arakaraky ny nanandraman'ny olona nikaroka fanamafisana hoe tsy naninona ireo havana aman-tsakaizany. Mbola maro ireo fianakaviana no miezaka mitady izay misy ireo havan-tiany amin'ny alàalan'ilay tenifototra #rechercheparis. Ny hafa naneho firaisankina tamin'ireo tradoza, tamin'ny alàlan'ny fandefasana hafatra narahana ny hoe #liberteegalitefraternite:

Miangavy amin'ny anaran'ny Tompo e, mba hifankatia amin'izay ve ianareo tsirairay?

” soatoavina ifampizaràntsika rehetra ny #FahalalahanaFitovianaFirahalaiana.” @BarackObama

Ny hafa kosa nahatsiaro ny valinkafatry ny sivily taorian'ireo fanafihana ny Charlie Hebdo :

Mahafinaritra ity. Tsarovy ny tanjon'ny “mpampihorohoro” iray

Mikarakara tena. Mahatakatra. Mifandamina

“Tsy matahotra kely akory aza” saingy mila fanasitranana isika, mahatakatra ary mifandamina.

Na eo aza ny alahelo sy ny dona, maro ireo Pariziana no tonga dia nanao hetsika teo noho eo nampiseho ny hatsaram-panahiny iny alina nisian'ny horohoro iny. Voalazan'ny tatitra, ohatra,  fa ireo fiarakaretsaka sy mpamilin'ny Uber dia nanolotra fitaingenana maimaimpoana ho an'ireo mpandeha an-tongotra tafahitsoka tany.

Raha efa nanomboka niha-nazava ny toerana sy ny karazan'ireo fanafihana, nandray ny Twitter ry zareo Pariziana mba hanandramana manampy ireo raikitra any anatin'ny fitohanan'ny fifamoivoizana any an'arabe maro any, tamin'ny alàlan'ny tenifototra #portesouvertes (varavarana misokatra).

Nifanotofana be ilay tenifototra nandritry ny alina nisian'ireo fanafihana. Nanome adiresin-trano vonjimaika ahafahana mahita fialokalofana ireo mponina tao an-toerana:

#porteouverte mba andefaso hafatra aho milaza toerana azo antoka aty amin'ny lakandrano Saint Martin. Miangavy, Tsarà ianareo

Mbola manana toerana roa raha ilaina aty akaikin'ny metro #marcadet (L4 & L12) ato amin'ny 43 rue Ordener #PorteOuverte Valio fotsiny ity hafatra ity

ireo olontsotra Frantsay mamoha ny varavarany ho an'ireo tradoza. Marika ny #PorteOuverte maneho fa mbola matanjaka foana ny fanahy Frantsay

Fanomezana voninahitra ho an-dry zareo Pariziana amin'ilay #PorteOuverte nataony. Misaotra anareo

Ireo olompirenena tany amin'ny tanàndehibe hafa dia nampiseho fitia mifamaly tamin'ilay hevitra tamin'ny fanomezana toerana fialofana ho an'ireo Pariziana izay tafahitsoka tany ivelan'ny sisintany Frantsay taorian'ny nanakatonana ny sisintaniny.

Ho an'ireo Pariziana tafahitsoka aty Angletera, manana efitrano izahay ato an-trano, tsy lavitra ny seranam- piaramanidina Heathrow.  #PorteOuverte

Nofintinin'i Jerome Kern taminà fampisaintsainana iray mahalasa fanahy hoe :

Ao anatin'ny fotoanan'ny fahoriana, mivoaka ny tena toetra marin'ny vondrom-piarahamonina iray. Ho an'ireo manolotra #PorteOuverte, mahatonga ahy hirehareha amin'ny maha-olombelona ahy ianareo

5 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.