Lahatsoratra farany an'i avylavitra tamin'ny Desambra, 2015
Rosiana Bilaogera: Voasazy Hifonja Dimy Taona Noho Ny “Kabary Fankahalàna”

Voaheloka noho ny kabary fankahalàna sy antso ho amin'ny fanaovana an-tendrony tety anaty aterineto i Vadim Tyumentsev, Rosiana bilaogera avy ao Tomsk, ary nahazo sazy famonjàna mandritry ny dimy taona noho ireo lahatsary nakàriny tao amin'ny Youtube sy VKontakte.
Rosiana Mpikatroka Mafàna Fo Voasazy Taona Roa Noho Ny ‘Antso Hanao Hetsika Mahery’ Nalefany Taminà Tambajotra Sosialy

Nohelohin'ny fitsaràna iray tao amin'ny distrikan'i Krasnodar i Darya Polyudova, mpikatroka iray mafàna fo, noho ny "antsony ho an'ny daholobe nataony tao amin'ny media sosialy hirona amin'ny fisaraham-bàzana sy hanao mahery fihetsika", ka nanasazy azy handia taona roa tany amin'ny toby iray fanefàna sazy (fanarenana).
Mitondra Ny Fifanarahana Nokleary Iraniana Hanakaiky Kokoa Ny Tena Zavamisy Ny Tatitry Ny Masoivohon'ny Firenena Mikambana Momba Ny Atomika
Nambaran'ny tatitra fa nitsahatra tamin'ny 2009 ireo ezak'i Iràna hamorona fitaovam-piadiana nokleary. Ny sasany indray nahita azy io ho toy ny fanamafisana fa poakaty sy tsy misy ilàna azy ireo sazy, izay ny betsaka taminy dia napetraka taorian'ny 2010.
Fanantenana Hisian'ny Frantsa Miray Rehefa Nandalo Fankahalàna Sy Tahotra
"Ny tsirairay ho an'ny rehetra ary ny rehetra ho an'ny zanak'Olombelona, miray ary hiray mandrakizay isika"
Sambany Ny Sazy An-tranomaizina Voalohany No Hita Ao Amin'ny RuNet Noho Ny ‘Fampiroboroboana Ny Fihetsika Mahery’ Ety Amin'ny Media Sosialy

Namoahan'ny fitsaràna Rosiana iray sazy mihatra hiditra am-ponja ny mpampiasa iray voaheloka ho "nanao fampielezankevitra mampiroborobo ny fihetsika mahery tety anaty media sosialy," nanasazy azy hifonja herintaona any aminà toby iray fanefàna sazy.
Henjana Ny Fiainan'ireo Ankizy Boliviana Any Am-Ponja, Fa Mety Hihatsara Izany Ato Ho Ato
Bolivia no mety ho firenena tokana eto ambonin'ny tany izay matetika mampiditra am-ponja ny ankizy sy ny tanora miaraka ami'ireo nahitàny masoandro, raha toa ireto farany ka mbola manefa sazy noho ny fiampangàna azy ireo ho nanao heloka bevava
Talata-n'ny #Fanomezana Androany—Manomeza Ho An'ny Global Voices
Mba hijanonana ho tsy miankina sy maharitra, dia miantehitra amin'ny fanohanan'ireo namana sy mpamaky malàla-tànana tahàka anareo izahay, miangavy anareo mba hihevitra ny hanome ho an'ny Global Voices Amin'ity #TalataFanomezana ity #GivingTuesday.