Lahatsoratra farany an'i avylavitra tamin'ny Marsa, 2022
Olompirenena sy mpandraharaha Kroaty maneho amin'ny fomba samihafa ny fanohanany an'i Okraina
Namelatra ny sainampirenena Kroaty ireo mpandray anjara amin'ny hetsipanoherana, nihiaka tenifaneva ary nihira hira okrainiàna. Nisongadina tamin'ilay hetsipanoherana ihany koa ny sorabaventy misy sary mampitaha an'i Donbas sy ny fahirano ary daroka baomba nanjo ny tanàna kroaty tao Vukovar tamin'ny 1991
Tanora Montenegrin mamoaka hira manohitra ny ady, ho an'ireo ankizy ao Okraina
Hira sy lahatsary navoakan'ny orinasa media Vijesti izay mampiasa azy ireo ho fampiroboroboana ireo hetsika ho an'ny maha-olona hanampiana an'i Okraina.
Rahonana ho atolotra an'i Thailandy, nangataka hialokaloka ao Kanadà ilay Laosiàna mpikatroka
Khoukham dia isan'ireo nanangana ny Free Laos, tambajotra iray misy ireo Laosiàna mpiasa ao Thailandy mitolona ho an'ny zon'olombelona ao amin'ny firenena niaviany. Notadiavin'ireo manampahefana Thai izay handroahana azy hody.
Hong Kong : Miatrika « krizy vao mimpongatra » ireo vahiny mpiasa an-trano satria feran'ny COVID-19 ny fahafahan-dry zareo hahazo trano fonenana sy ny fahalalahany hivezivezy
Any Hong Kong, noho ny fandàvana tsy hanome "visa" azy sy taorian'ny naha-vaotily azy ho mitondra ny COVID-19, lasa mipetraka eny amoron'arabe ny vehivavy Filipiàna iray 35 taona.
Japàna miatrika ny olan'ny “Mega Solar”
Lazain'ireo mponina sasany mipetraka eny akaikiny hoe manimba ny tontolo iainana sy zara raha mitondra tombony ho an'ireo vondrompiarahamonina manodidina azy ireny "toerana goavambe fakàna angovo amin'ny masoandro" ireny.
‘Fiovàna lehibe ny fifankatiavan'ny samy vehivavy,’ hoy ilay Meksikàna feminista
Eny antsefantsefan'ny firaisankna, ny fandrahonana sy ny fahamailoana, tohizan'i 'Hormiguita' ny fanampiany ireo vehivavy.
Iza avy ireo atleta afrikàna mifaninana amin'ny Lalao Olaimpikan'ny Andro Ririnina ao Pékin 2022 ?
Na ohatra aza ka zara fa manana ranomandry, na tsy manana mihitsy, ny ankamaroan'ireo firenena ao amin'ny tanibe afrikàna, mametraka tontolo iray manasarotra ny fanomanana ireo Lalao Olampikan'ny Andro Ririnina, natrehan'ireo atleta afrikàna ny fanamby
#AfricansInUkraine (AfrikànaAoOkraina): Mpianatra izahay, tsy manana fitaovam-piadiana
Olona an'aliny maro no nifindra toerana noho ny fananiham-bohitra ataon'i Rosia ao Okraina. Isan'ireny koa ireo Afrikàna am-pielezana izay tsy maintsy nihetsika nampiasa ny fomba tsy mahazatra no sady miatrika ny fanavakavahana ara-poko eny an-kianja
Maninona i Maosko no milaza hoe ilaina ny “fanalàna amin'ny Nazi” ao Okraina?
Nazisma, navadik'ireo fahavoazana nampivaloharika nozakain'ny Firaisana Sôvietika nandritra ny Ady Lehibe Faharoa ho lasa ho fanoitran'ny fihetsehampo lalina izay mihevitra ho toy ny adidy maoraly ny fandraisana fitaovam-piadiana ho “fiarovan-tanindrazana”
Fepetra ho an'ny valanaretina no nampiasaina hanaparitahana ny fitokonan'ireo vehivavy mpiasa tao Kambodza
" Mba hanaparitahana ilay fitokonana am-pilaminana, tamin'ny fomba tsy mifandanja no sady matetika lasibatry ny ezaka nataon'ny tafiky ny governemanta ireo vehivavy mpitokona"