Lahatsoratra farany an'i avylavitra tamin'ny Febroary, 2016
Makedoniàna Manao Hetsi-panoherana Hiarovana Ny Lalàm-panorenana Amin'ny Fitsaràna Avon'ny Lalàm-panorenana
"Raha ny fahitàna azy, dia toa ara-dalàna tanteraka ny fanaovana hosoka amin'ny fifidianana, ary na inona na inona heloka vitanao, rehefa mbola ny fitsaràna no manaiky azy"
Fitsarana Makedoniana Mandà Ny Fandravàna Didy Nangatahan'ny Mpikatroka Ira Voaheloka Noho Ny Fanalàna Baràka Mpanolotra Amin'ny TV Mpomba Ny Fitondràna
Taona dimy taorian'ny nanombohan'ilay raharaha, farany dia nolavin'ny fitsaràna Makedoniana ihany ny fandravàna didy nangatahan'ny mpikatroka iray voaheloka ho nanàla baràka ny mpanolotra fandarahana amin'ny fahitalavitra mpomba ny fitondràna
Tena An-koditra Ny Fiovàn'ny Toetrandro Ao Kenya, Manjo Olona An-tapitrisa Ny Haintany Sy Ny Mosary
"Voatery miverina mandinika ny momba ny ranony i Kenya, ho toy ny zavatra sarobidy fa tsy hoe filàna fototra fotsiny. Ny tena mahatahotra indrindra ho ahy sy ireo mpiray firenena dia ny tsy fahafahanay mamaha ilay toedraharaha."hafa
Herisetra Ara-nofo, Heloka Bevava Atao Amin'ny Zanak'Olombelona : Didy Manantantara Navoakan'i Goatemalà
Taminà didimpitsaràna iray manantantara, nelohin'ny fitsaràna iray tao Goatemalà ho namono olona, nanolana ary nanandevo ireo vehivavy vazimba teratany ireo miaramila fahiny, tamin'ny fanasokajiana ireo heloka ireo ho heloka bevava atao amin'ny zanak'olombelona
Dia Mankaiza ireo Vola Maloto Giazan'ny Polisy Ao Meksika, Ao Kolombia sy Etazonia?
Lasa inona ny volan'ireo mpikirakira zava-mahadomelina rehefa voasambotra ry zareo ?
Ny Fomba Ampianaran'ireo Sekoly Maro Ao Brezila Ny Mpianatra Ao Aminy Hihinana Ny Anana Voleny
Manana zaridaina an-tsekoly avokoa ireo sekolim-panjakana Breziliana anjaton, toerana ambolen'ny ankizy ny legioma hohaniny. Araka ny amabran'ireo sekoly ireo, nanova ny fomba fisainan'izy ireny ny atao hoe sakafo izany.
Dimy Taona Aty Aorian'ny Nanombohan'ny Fitroarana, Tohizan'ny Governemanta Ao Bahrain Ihany Ny Fanakendàna Ny Mpanohitra
"Na teo aza ny fampanantenan'ny manampahefana fa hanenjika ireo mpitandro filaminana tomponandraikitra tamin'ireo fanitsakitsahana zon'olombelona nitranga tamin'ny 2011, dia mbola miandry ny rariny hatrany ny vahoaka Barhainis."
Barber Show : Andian-tantàra Anaty Tranonkala, Ahitàna Olompirenena Maro, Ary Feno Hatsikana Momba Ireo Afrikàna Am-pielezana Ao Parisy
Barber Show, varavarankely iray ho an'ireo Afrikàna am-pielezana ao Parisy.
Ampitovian'ny Fitsaràna Okrainiana Amin'ny An'ireo Media Mahazatra Ny Mombamomba Ny Tambajotra Sosialy
Raisin'ireo manampahaizana sy ny fitsaràna ho "media ho an'ny daholobe" ireny pejin'ny media sosialy miaty "antso mivantana hanao hetsika" ireny satria misy vahoaka ao, ary tsy azo ferana ny isan'ny olona afaka miditra mijery azy
Porto Rico : Vehivavy Dominikàna Mampiaina Indray Ny Vohitr'i Santurce Ao San Juan
Ara-tantara dia mifamatotra amin'ny vohitr'i Santurce ny vondrom-piarahamonina Dominikàna, iray amin'ireo vohitra isan'ny tena malaza indrindra ao San Juan, renivohitr'i Porto Rico. Na dia zara raha misy mpahalala aza ny zavatra entin'ireo Dominikàna amin'ny fampivoarana an'i Porto Rico. Hanoherana an'izany, Ernesto Beltrán, izay nanoratra tao amin'ny El Post Antillano, dia mampitaha ny vehivavy dominikàna amin'ireo mpisava làlana