Sary Tranainy Mampiseho Ny Fahitàna ny Andrefan'i Japana

old photos of japan

Japan circa 1886. Loharano:  yves Tennevin, mpampiasa Flickr, nampiasàna ny lisansa ho an'ny daholobe.

Nitily toerana i yves Tennevin ary nampakatra ny sasantsasany tamin'ìreo sary mahazendana nolokoina tamin'ny tànana ahitàna an'i Japàna tamin'ny taonjato faha-19, taorian'ny nanokafan'io firenena io indrindra ny varavarany ho an'izao tontolo izao.

Hita amin'ny sehatra natao ho an'ny daholobe daholo ireo sary rehetra, ary heverina ho tao Japàna no nalain’Adolfo Farsari, teratany Italiana mpakasary, tany amin'ny faramparan'ny 1880. Maro amin'ireo fanontàna navoakany no nolokoina tamin'ny tànana, fomba fanao iray izay nahazatra ihany tao Japàna tany amin'ny faran'ny taonjato faha-19, rehefa injay nitsidika tao i Farsari.

Raha ny sary nataony no tsaraina, nandeha lavitra nitety ny manodidina an'i Japàna i Farsari, ary nandrakitra saika ny zavatra rehetra nolalovany mihitsy.

old photos of japan

Japan circa 1886. Loharano:  Tennevin, mpampiasa Flickr, nampiasàna ny lisansa ho an'ny daholobe.

Somary hita mibaribary ihany hoe nasian'i Farsari fikarakaràna ny ankamaroan'ireo sariny. Midika io fa tsy dia milaza mandrakariva ny tena zavamisy loatra ireo sary entiny anehoana an'i Japàna, ary angamba mety nandray anjara tamin'ny fanefena ny fomba fijerin'ny tany ivelany momba ilay firenena vao avy nisokatra, fa tsy tena maneho taratra ny fomba fijerin'i Japàna ny tenany manokana.

Indrisy, tsy ny sary rehetra asongadin'i Farsari no misy maribolana, araka izany dia sarotra ny mamaritra ny toerana nakàna azy ireny.

old photos of japan

Japan circa 1886. Loharano: yves Tennevin, mpampiasa Flickr, nampiasàna lisansa ho an'ny daholobe.

Sarotra ny hilaza raha tena izao no mety ho fisitrahan'ireo Japoney ny zaridaina, na fomba iray fotsiny io nanaingàn'i Farsari ny olony hàka toerana ho alaina sary.

old photos of japan

Japan circa 1886. Loharano: yves Tennevin, nampiasàna lisansa ho an'ny daholobe.

Mety ho Yokohama ity sary ity. Telopolo taona monja talohan'ny nakàna ity sary ity, mety ho tanàna nilamina nonenan'ny mponjono i Yokohama.

old photos of japan

Japan circa 1886. Loharano : yves Tennevin, nampiasàna lisansa ho an'ny daholobe.

Ny sasany tamin'ireo diany nataon'i Farsari dia nitondra azy tany amin'ireo toerana lavitra izay afaka nakàna sary ny endriky ny fiainana andavanandro ho an'ireo olona ivelan'ny tanàndehibe.

old photos of japan

Japan circa 1886. Loharano: yves Tennevin, mpampiasa Flickr, nampiasàna lisansa ho an'ny daholobe.

Toy ny mpanjono ireto lehilahy ireto, manamboatra bika mba ho an'ny sarin'i Farsari hanehoan-dry zareo ny fandrobohana an-drano ny làkany.

old photos of japan

Japan circa 1886. Loharano : yves Tennevin, mpampiasa Flickr, nampiasàna lisansa ho an'ny daholobe.

Maro amin'ny sary nalain'i Farsari no toy ny marika maneho hatraiza hatraiza an'i Japàna.

old photos of japan

Japan circa 1886. Loharano : yves Tennevin, mpampiasa Flickr, nampiasàna lisansa ho an'ny daholobe.

Fantina goavana iray amin'ireo sary nopihan'i Farsari no azo jerena amin'ny toerana samihafa manerana ny tranonkala. Ny fantin'ny Nagasaki Library Collection amin'ny sarin'i Farsari dia ahitàna maribolana famariparitana momba ny toerana nakàna ireo sary.

Raha tianao ireo, mety tianao ihany koa ny hitsirika hijery andian-tsary tranainy iray hafa momba an'i Japàna avy amin'io vanimpotoana io ihany, saingy ilay Japoney mpakasary, T.Enam0, no naka azy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.