Lahatsoratra farany an'i avylavitra tamin'ny Jolay, 2012
Maoritania: Diplaomaty Nandoro Tena
Minitra vitsy nialoha ny Iftar (fotoana fampitsaharan'ny Miozolmana ny fifadian-kanina fanao rehefa Ramadany ), Hassan Ould Abba [ar], Maoritaniana iray diplaomaty izay niasa amin'ny maha-mpanolotsaina azy tao amin'ny Masoivoho Maoritaniana ao Koety, dia nandoro tena [ar] tao amin'ny distrikan'i Ksar, any Avaratr'i Nouakchott, renivohitra Maoritaniana. Nihazakazaka hamonjy azy ihany ny fiaran'ny mpamonjy voina, saingy maty talohan'ny nahatongavany tany amin'ny toeram-pitsaboana izy.. Mamintina ny fanehoan-kevitra tety anaty aterineto i Ahmed Ould Jedou.
Hong Kong: Fihaonamben'olona An'Aliny Manohitra Ny Fanabeazam-Pirenena
Ilay fandaharam-pianarana vaovaon'ny fanabeazana fototra "mena" nahabe resaka dia mitohy niotrika tamin'ny herinandro lasa ary nanatevin-daharana ireo vondronà mpianatra sy mpampianatra voakasik'izany ireo fikambanan'ny ray aman-dreny mba hanakana ny governemanta amin'ny fampidirana ilay fandaharam-pianarana amin'ity Septambra ity
Azia Atsinanana: Firoboroboan'ny Varotra Vorona An-tsokosoko ‘Hatao Fiompy’
Biby maro tandindonin-doza namidy mba hompiana anaty vàla mifefy no tany an'ala no nosamborina raha ny marina ary nalàna an-tsokosoko nivoaka ivelan'ny tontolo voajanahary niainany tamin'ny fomba feno habibiana, araka ny tatitry ny Jolay 2012 avy amin'ny Wildlife Trade Monitoring Network (TRAFFIC), tambajotra mpanara-maso ny varotra biby dia. Ho andrana hiadiana amin'ity olana ity dia mety hahafahana mamantatra mazava ireo vorona azo amidy ara-dalàna ao Taiwan ny fanomezana mari-pamantarana manokana ireo boloky nompiana nampidirina any an-toerana.
Shina: Nisambotra Mpampiasa Aterineto 5007 i Beijing
Ny 2012, hatreto ny rafitra fampiharana ny lalàna anaty aterineto an'ny filaminam-bahoaka ao Beijing dia nikirakira fanohintohinana miendrika heloka bevava maherin'ny 3.961 sy nisambotra olona noahiahiana niisa 2007. Ankoatra izay, nanaisotra votoaty niisa 366.000 tety anaty ateriento sy nanasazy orinasa mpanome tolotra aterineto niisa 7.549.
UK: Nanjavona Tsy Teo Amin'ny Làlam-be Olaimpika Tao Londona Ny Sainam-Pirenen'i Taiwan
Nanontany tna ny Taiwanais hoe lasa nankaiza ny sainam-piree'izy ireo rhefa nanjavona teo amin'ny fampirantiana tao an-dalamben'i Regent Street tao Londona. Ny sainam-pirenena hafa rehetra dia nijanona nihantona teo hatrany niarahaba ny fahatongavan'ireo solontena avy amin'izao tontolo izao ho amin'ity lalaon-dohataona ity.
Arzantina: Mandefa Sary Avy Amin'ny Twitter Ny #London2012 Ireo Atleta
Andro vitsy monja nialohan'ny fanombohan'ny Lalao Olaimpika any Londona, nizara ny sari'izy ireo teo am-pahatongavana ireo atleta arzantina tamin'ny alàlan'ny Twitter sy Facebook.
Mali: Loha Mitraka No Entin'ireo Atleta Miatrika Lalao Olaimpika Any Londona
"Many people believed that Mali would be absent from the London Games because of the political and security situation in our country .. But we will definitely be in London and our goal is to prove to the whole world that in spite of our struggles, our country is still standing." - Malian National Olympic Committee President
Brezila: Mafàna Fo Niverina Hiampanga Ny Vale, Orinasa Breziliana Mpitrandraka Arintany
Jeremias Vunjanhe, Mozambikana iray mpanao gazety sady mafàna fo dia noraràna tsy hiditra tany Brzila nandritra ny Rio+20. Taoran'ny fanetsehana ireo fiarahamonina sivily sy fikambanana maro, tafaverina tao amin'io fireena io ihany i Jeremias mba hiampanga ny fihetsik'ilay orinasa Breziliana Vale.
Lahatsary: ‘Ndao Hotetezintsika Ny Tsena Manerana Ny Tany
Feno loko , feo sy fiainana maro ny tsena, na aiza na aiza misy azy eto amin'izao tontolo izao. Miaraha aminay mandritra ny fitsidihanay - an-tsary sy lahatsary - ireo tsena any El Salvador, Meksika, India, Indonezia sy Thailand.
Repoblika Demaokratikan'i Congo : Voampanga Any Avaratr'i Kivu i Rwanda
Hatramin'ny volana Aprly, ny M23, ivondronan'ireo mpiady tranainy tao amin'ny mpihoko tutsi Kongoley avy amin'ny Congrès national pour la défense du peuple CNDP dia manakorontana ny faritany Avaratr'i Kivu any Atsinanan'ny Repoblika Demaokratikan'i Congo. Ankoatry ny zavatra hafa dia takian'ireny miaramila ireny ny hanajàna ny fifanarahana tamin'ny 2009 izay, araka ny hevitr'izy ireo, dia tsy hajain'ny governemanta kongoley Mihevitra ny sasany fa tsy noho ny tsy fanajàna ireny fifanarahana ireny ihany no anton'ireny fitsoahana an-daharana ireny fa misy ihany koa finiavana hizarazara ny firenena. Mitohy miteraka fahafatesan'olona marobe sy fifindra-monina faoben'ny vahoka ny hetsika M23.