avylavitra · Janoary, 2011

Lahatsoratra farany an'i avylavitra tamin'ny Janoary, 2011

Maldiva: Ho Firaisankina amin'i Ejipta

  31 Janoary 2011

Ny hetsi-panoherana mitranga any Ejipta dia toy ny ‘herinaratra’ namely ny mponin'ny aterineto tao Maldiva. Ireny fitroarana ireny dia nanana ny dikany manokana mihitsy satria namelona indray ny fahatsiarovana ny hetsi-panoheran'ireo mpandàla ny demaokrasia vao taona vitsy lasa monja izay mba hamerenana ny demaokrasia ao amin'ity tangoro-nosy mitambatra ho firenena iray ao amin'ny Ranomasimbe Indiana ity.

Shina: Mampita ireo vaovao avy any Ejipta

GV Mpisolovava  30 Janoary 2011

Ny 28  Janoary, rehefa nitondra fanamarihana mikasika ny toe-draharaha ara-politika any Ejipta ny mpitondra tenin'ny Ministeran'ny Raharaham-bahiny Sinoa dia niteny fa hitohy hanohana ny governemanta Ejiptiana amin'ny fihazonana ny lamina...

Yemen: Anarivony nanao fihetsiketsehana manohitra ny fitondran'i Saleh

Tamin-kafaliana no nandraisan'ny tontolo Arabo ireo tatitra mikasika ny hetsi-panoherana any Yemen, tontolo Arabo izay misy an'ireo mponin'ny aterineto maneho ny fanohanany betsaka an'ireo rahalahiny sy anabaviny Yemenita. Tao amin'ny Twitter, nientanentana ny rehetra, satria ireo mponin'ny aterineto erantany dia naniry daholo an'i Yemen hanaraka ny dian'ny Toniziana, ka hanala ny filoha Yemenita Ali Abdulla Saleh, izay efa tao amin'ny fitondrananandritra ny 30 taona mahery

Ejipta: Fa Misy Inona ao Suez?

Maro ny tatitra mikasika ny fifandonanan'ny mpanao fihetsiketsehana sy ny mpitandro filaminana no mivoaka avy ao Suez, 129km atsinanan'i Cairo renivohitra, sady mafy sy mazava, raha miditra indrindra amin'ny andro fahatelo ny hetsika rehetra manerana an'i Ejipta. Miaraka amin'ny fahatapahan'ny tambajotra finday, manjavozavo ho an'ireo mponin'ny aterineto ny vaovao. Ny fanontaniana mipoitra dia ny hoe: Fa misy inona ao Suez?

Ejipta: Taorian'ny Twitter, Voasakana koa Ankehitriny ny Facebook

Nosakanan'i Ejipta koa androany ny fidirana amin'ny Facebook, tafiditra ao anatin'ireo fangiàzana ny fivezivezen'ny vaovao ataony, taorian'ny hetsi-panoherana omaly. Omaly ihany koa, nosakanany ny fidirana amin'ny Twitter, nokorontanina ny fifandraisana tamin'ny finday tamin'ireo faritra nifamorian'ny mpanao fihetsiketsehana, ary nobahanana ny fahafahana mandefa video mivantana tao amin'ny tranonkala Bambuser.