Lahatsoratra farany an'i avylavitra tamin'ny Desambra, 2009
Sahara Andrefana: Voaroaka i Aminatou Haidar
Aminatou Haidar dia mafana fo lohalaharana amin'ny fitakiana ny fahaleovantenan'i Sahara Andrefana (avy any Maraoka). Ny Zoma 13 Novambra, raha niverina ho any Laayoune (tanàna iray any amin'ny faritr'i Sahara Andrefana), nosamborina izy ary noroahana noho izany. Manangona ny fanehoan-kevitra avy amin'ny mpitoraka blaogy rehetra i Jillian C..
Mpitoraka blaogy Maraokana, tompona Cyber-Café, voaheloka
Ny Alatsinainy 14 Desambra, i Bashir Hazzam Maraokana mpitoraka blaogy (antsoina koa hoe Hazem, Hazzem) sy i Abdullah Boukhou tompona Cyber-Café dia samy voaheloka higadra efa-bolana sy herintaona tsirairay avy,...
Tonizia: Mpianatra nofonjàna noho ny tafatafa nifanaovana tamin'ny Media
Nanagana Vondrona Facebook iray sy blaogy iray ireo mafana fo Toniziana ho fanohanana an'i Mohamed Soudani, 24 taona, izay nanjavona ny 22 Oktobra 2009, tao Tonizia, taorian'ny nanaovany tafatafa ho an'ny Radio Monte Carlo International sy Radio France International. Ren'ireo tapaka sy namana avy eo fa nogadraina sy nampijaliana izy.