Lahatsoratra farany an'i avylavitra tamin'ny Mey, 2021
Mihamanakaiky ny fanovàna ny lalànany momba ny fitoviana ny ao Trinidad & Tobago, tafiditra amin'izany ny fironana ara-pananahana
Taorian'ny dingana goavana nataon'ny iray amin'ireo banky goavana ao amin'ny firenena, niverina indray ny adihevitra momba ny filàna manova ny lalàna momba ny fitoviana ao Trinidad & Tobago
Onja COVID-19 vaovao manempotra an'i Taiwan
Hatreto dia tranga COVID-19 miisa 3.161 no voaisa ao Taiwan ho an'ny volana May 2021. Tany aloha, latsaky ny 1.200 no fitambarany hatramin'ny nanombohan'ilay valanaretina.
Mahafatifaty ny tantely Jamaikàna, tena ilaina ny fiarovana azy
Mitatra be ny fiompiana tantely ao Jamaika tato anatin'ny taona vitsy izao, mampitombo koa ny fampidirambola no sady miaro ny tontolo iainana, ary ahafahana mahazo sary mahafinaritra marobe.
Noravàna ny antenimiera armeniàna mba hanomànana ny fifidianana amin'ny Jona
Ny tsy nahavitan'ny antenimiera nanondro izay ho solon'ny praiminisitra nametraka fialàna no anton'ny fitakiana hanaovana fifidianana haingana.
Schrödinger GV'r
Ahoana no haha-GV'r na tsia anao? Mba haavo hafahafa manakory loatra amin'ny maha-mpikambana no voasokatr'ity mpilalao ity?
Ao anatin'ny andiany faharoa amin'ny COVID-19, miantso fanampiana iraisampirenena i Nepal
Rotehan'ny onja faharoa amin'ny coronavirus i Nepal. Miakatra be ny tahan'ny tratry ny aretina ary tototra ny fotodrafitrasa ara-pahasalamana, miantso fanampiana iraisampirenena i Nepal.
Kambodza, mpikatroka mpiaro tontolo iainana voaheloka fa nikasa hikarakara “fandehanana ataom-behivavy tokana”
"Nosamborina ireo tanora ireo satria niezaka niaro ny farihy lehibe indrindra eto Phnom Penh sy hitahiry azy ho an'ireo andiantaranaka ankehitriny sy hoavy."
Miaraka amin'ny fihenan'ny velaran-tany mando, mizotra mankany amin'ny fihenana koa ny isan'ireo sakadia mpanjono tsy fahita firy ao Nepal
Mihena ny isan'ireo karazana sakadia satria ny toerana fonenana dia efa mihamaina ary navadika ho tany fambolena ary fampiroboroboana ny fotodrafitrasa.
Mivantana ny 20 May : Izay ambaran'ny Eurovision amintsika momba an'i Eorôpa
Inona no ambaran'ilay Fifaninanana Hira Eurovision momba ny pôlitika, ny sary omeny ny tenany ary ny soatoavin'i Eorôpa? Miaraha aminay amin'ny 20 May hahitanareo azy. Anasongadinana ireo antsafa nifanaovana tamina mpifanintsana roa amin'ny andiany ho an'ity taona ity!
Polisy ao Amerika Latina: mitifitra hamono, lova navelan'ny fakàna tàhaka ny fiainana miaramila
Taorian'ireo andiana fihoaram-pefy, takian'ny vahoaka ny hisian'ny fanaovaozana. Afaka hiala amin'ny kolontsaina efa nifàka lalina nakàny tàhaka ny fomban'ny miaramila ve ny pôlisy ao Amerika Latina?