Lahatsoratra farany an'i avylavitra tamin'ny Febroary, 2022
#helloTürkiye — Andrana farany indrindra nataon'i Tiorkia hanovana ny anarany
Fampielezankevitra natao taorian'ny 4 Desambra 2021 nanasoniavana ny teny miampita avy amin'ny fitondràna, mitaky ny hampiasàna ny hoe "Türkiye" fa tsy "Turkey" any anatin'ireo taratasim-pifandraisana rehetra ifanaovana amin'ireo firenena, andrimpanjakana ary fikambanana hafa.
Fihetsika tsy nampoizina tao Prague taorian'ny fananihambohitra rosiàna tao Okraina
Somary tsy nampoizina, nanova ny fomba fijery an'i Maosko nananan'ilay nafàna fo faran'izay nahataona indrindra tao amin'ny Repoblika Tseky ny fananihambohitra nataon'i Rosia: ny filoha Zeman, izay vao avy nanondro ho "heloka bevava" ny fihetsika nataon'i Maosko.
Tsy andrenesana feo momba ny olana ao Okraina i Azerbaijàna, mitsidika an'i Maosko ny Filoha Aliyev
Raha ny ankamaroan'ireo firenena tandrefana manameloka ny fanapahankevitr'i Poutine hankatoa ny fahaleovantenan'ireo faritra roa nisintaka tamin'i Okraina, ny governemanta mitondra ny ao Azerbaikàna kosa tsy andrenesana feo
Tafika Rosiàna misatroka manga, manome toky fa hanara-maso ny fiverenan'ireo Armeniàna rehetra gadra ao Azerbaijàna
Raha miroso amin'ny fampodiana ireo gadra ny andaniny sy ny ankilany, ao anatin'ilay fampitsaharana poabasy nosoniavina tamin'ny 9 Novambra 2020, mbola tsy hay hatrany izay tena isan'ireo Armeniàna gadra an'ady ao Azerbaidjàna.
Rosia, tafakatra amin'ny toerana faharoa erantany amin'ny fangatahana fanesorana votoaty ao amin'ny Twitter
Tonga eo amin'ny laharana faharoa manaraka an'i Japàna i Rosia miaraka amin'ny isanjato 25 amin'ny fangatahana fanesorana voatoaty ao amin'ny Twitter tamin'ny Janoary-Jona 2021. Votoaty voalaza fa manitsakitsaka ny lalàna mandràra ny fampiroboroboana ny famonoana tena no maro kinendrin'ireo fangatahana
Kambodziàna mpiangaly RAP nivoady hanoratra hira fanakianana na efa nigadra taona iray aza noho ny fandrisihana olona
"Tsy hitsahatra hanoratra sy hihira ireo hirako momba ny fireneko aho. Hotohizako ny hanabe ny vahoaka amin'ny alàlan'ny hirako sy hitaiza ny fanahin'ny fitiavan-tanindrazana hitohy hatrany"