Lahatsoratra farany an'i avylavitra tamin'ny Novambra, 2020
Lasibatra kokoa mihoatra noho ny hafa ve ny olompirenena sasany ao Trinidad-sy-Tobago raha resaka lalàna momba ny COVID-19 no resahana?
Betsaka no manahy hoe hitatra ho lasa fanampin'ny fanitsakitsahana ny lalàna misy ny fifanoheran-javatra momba ireo olona nentina hiatrika fitsaràna noho ny tsy nanarahany ny fepetra momba ny COVID-19
Brezila, rakitra tafaporitsaka momba ireo olona an-jatony lazaina ho mpankahala fasista
Miaraka amin'ny fitomboan'ny hetsika mpankahala fasista ao Brezila, lisitra roa no hita ety anaty media sôsialy, nanangonana ny torohay no sady ikendrena ireo olona lazaina ho "antifas"
Porofo vaovao mampiseho fa nampian'ny polisin'i Hokg Kong i Shina hisambotra ireo mpikatroka 12 nandositra tany Taiwan
Ny 23 Aogositra, nandositra tamin'ny alàlan'ny sambo haingam-pandeha niala an'i Hong Kong ho any Taiwan ireo mpikatroka, toerana tokony nahazoany fialokalofana, saingy nosamborin'ireo mpiandry morontsiraka shinoa ary ankehitriny tazonina ao Shenzen.
Tafita any amin'ireo mpihaino radio ao Taiwan ny fitantaran'ny GV momba ireo vondrompiarahamonina indizeny
Nifampizara traikefa tamin'i Yanne C mpikambana ato amin'ny vondrompiarahamonina GV ny onjampeo iray ao Taiwan mba hizara ireo tantaran'ny GV momba ny vondrompiarahamonina indizeny erantany.
Irian'ity bilaogera mpiresaka fivezivezena ity mba ho “babom-pitiavana” an'i Makedônia Avaratra ireo Pôlôney mpiray tanindrazana aminy
"Ary hitohy handresy lahatra ireo Pôlôney aho hoe ireo ao Balkàna dia tsy vanja milevina fa kosa tavin-divay iray."
Efa azo raisina amin'ny fiteny espaniôla izao ny torolàlana FPCC “Check Before You Tech”
Efa azon'ireo vondrompiarahamonin'ny vazimba teratany ao Amerika Latina raisina amin'ny fiteny espaniôla ankehitriny ny torolàlana "Check Before You Tech" natolotry ny FPCC.