Lahatsoratra farany an'i avylavitra tamin'ny Septambra, 2018
Angano Mampisaina sy ny GV Malagasy
Ampitiavana no izaranay GV Malagasy aminareo mpamaky, fa manomboka izao dia misy ny fiarahamiasan'ny GV Malagasy sy ny pejy Facebook "Angano Mampisaina". Isaorana manokana i Hasina Samoelinanja
Raha efa 100 andro izao ny governemanta ao Malezia no teo amin'ny fitondràna, mbola tandindonin-doza foana ve ny fahalalahana maneho hevitra?

"Antenainay ny fanapahana tanteraka ny fifamatorana amin'ireo famoretana tany aloha sy hisian'ny tetezamita iray hankany aminà Malezia iray izay ahafahana miresaka am-pilaminana ny hevitra rehetra, sy isitrahana feno ny zo nomen'ny lalam-panorenana ho antsika.."
Alzeria: Fitarainana Napetraka Mahakasika Bilaogera Iray
“Tsy atahorako ny mandeha miatrika tribonaly satria aho resy lahatra fa toerana iray tsy maintsy aleha hiarovana ny zontsika ny hazomeloka. Ny mety ho ratsy dia ny mety ho fieritreretana fa hoe tsy azo kianina isika...."
Ny Vehivavy no Tena Mizaka ny Krizy Ao Venezoelà
"Ao Venezoelà ny fomba fiteny hoe 'feminisma' dia nampiasaina fahatany, noararaotina ary amboninì'ny zavatra rehetra, navilan [ireo] ny eo amin'ny fitondràna.."
Asehon'ny Mpianatra Amin'ny Alàlan'ny Taokanto ny Tsy Rariny sy ny Fanimbazimbàna Zon'Olombelona ao Filipina
"Tonga saina ny tanora amin'izay mitranga ao anaty fiarahamonina. Afaka hitanareo eo amin'ireo sary ny famonoana olona tsy mandalo fitsaràna, ny fiovàna sata, ny ady, ary ny hantsana misy eo anelanelan'ny mahantra sy ny mpanankarena ao anaty fiarahamoninay."
Ara-dalàna Izao ny Maha-Pelaka Ao India
"Nandritry ny 29 taona, niaina teo ambany alok'io lalàna io aho, ary ankehitriny, lasa ilay izy, tahaka izao fotsiny.."
Filipina : Famonoana ny Zanakavavin'ny Mpitarika Kaominista
Misy andiany iray mpamono, mamono izay heverina ho mpanao heloka bevava, ary misy andiany iray hafa mpaka an-keriny sy mamono, tsy ireo heveriny ho mpihoko fotsiny fa ny havany akaiky ihany koa. Ohatra iray vaovao amin'ny kolontsain'ny fahafatesana sy ny tangolingoliky ny herisetra eto amin'ny firenentsika izany
Shina : Ny Vato Tsy Azo ivalozana Amin'ny Famaizana an'i Zimbaboe, Jerena Avy Any Shina
Araka izany, hitanareo fa miditra lalina amin'ny raharaha anatiny... i Shina, manitsakitsaka tanteraka ny lalànan'ny 'tsy fitsabahana amin'ny raharaha an-tokantranon'ny firenena hafa". Pékin no mamatsy vola, basy ary manofana ny tafiky ny fitondrana...satria manana tombontsoa goavana i Shina. Hatrany hatrany, loza mitatao ho an'ny fanantenana sy ny fikasana hametraka demaokrasia manerana ny tany no fahitàna an'i Shina. [...] Shina tsy hoe fotsiny firenena iray tsy misy fitoviana sy rariny ao anatiny, fa koa manakana ny fitoviana sy ny rariny tsy hisy any amin'ireo firenena hafa ary mamoritra fatratra ny vahoaka ao aminy