Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

avylavitra · Septambra, 2012

imailaka avylavitra

Lahatsoratra farany an'i avylavitra tamin'ny Septambra, 2012

Okraina: “Ireo Lavenon'ny Fahalalahana Miteny”

Olona an-jatony vitsivitsy no nifamory [uk] tao amin'ny Kianjan'ny Fahaleovantena tao Kyiv ny 16 Sept. teo mba hanme voninahitra ny fahatsiarovana an'i Georgiy Gongadze, Okrainiana iray mpanao gazety izay nanjavona tamin'io andro io, 12 taona lasa izay, ary ireo mpanao gazety maro hafa maherin'ny 60 namoy ny ainy nandritra ny...

Alzeria : Tsy Dia Mirongatra Loatra Ny Fihetsiketsehana Manohitra Amerikana Mitaha Amin'ireo Firenena Arabo Hafa

Lasibatr'ireo mpanao fihetsiketsehana tamina toerana maro samihafa tany amin'ny tontolo arabo ireo solotena tandrefana, indrindra fa ny Amerikana, taorian'ny nandefasana tao amin'ny Youtube ilay lahatsary « Innocence des musulmans », na «Ny havendranan'ny Miozolmana» . Tsy dia nisy namaly loatra anefa ireo antso hanaovana fihetsiketsehana tao Alger. Nitety ireo fampahalalam-baovaon'olon-tsotra...

Tajikistan: Mpihira Mankalaza An'i Poutine Mahatonga Hatezerana

Hatramin'ny fiandohan'ny taona, namoaka hira telo ilay Tajik mpihira, Tolibjon Kurbonkhonov, manindrahindra ny filoha Rosiana Vladimir Putin. Nanjary malaza ao amin'ny Youtube ireo hira sady nampalaza ilay mpihira any Rosia ihany koa. Kanefa any Tajikistan, nahatezitra ireo mpiray tanindrazana amin'i Kurbonkhonov ireo hira ireo, izay miampanga azy ho "mpisolelalaka" sy...

Mihetsika Noho Ilay Sarimihetsika Manohitra Silamo i Pakistan

Nihetsika noho ilay sarimihetsika manohitra ny silamo i Pakistan, ilay niteraka ny fahafatesan'ny Ambasadaoro Amerikana tao Libia. Nanamafy ny fiarovany ireo masoivoho diplaomatika manerana ny firenena, saingy hatreto an-katezerana ireo hetsi-panoherana saingy tsy misy herisetra.

Arabia Saodita : Kaomity Manohana Ny Fanaovana Ho Ara-dalàna Ny Fitànana Mandritra Ny Fotoana Tsy Voafetra

Ny Kaomitin'ny Raharaha Islamika sy momba ny Lalàna ao anatin'ilay Antenimiera Fakàn-kevitra Saodiana dia nanohana ny fanalefahana ireo fepetra takiana amin'ny fanamelohana ho faty sy hanome ho an'ny fitsaràna ny fahefana hanaiky ny famonjàna mandra-pahafaty.. Ny lalàna amin'izao fotoana dia manome tsy misy mitsipaka ny fanamelohana ho faty tao amin'ny...

Libya: Mamaky Ady Amin'ireo Toerana Masin'ny Soufis ny Salafista

Iharam-panafihana - ataon'ireo Salafista - ireo toeram-pivavahana sy vakoka Soufis. Notafihan'ireo Islamista fatra-pifikitra amin'ny nentin-drazana ireo toerana masina sy fitehirizam-bokin'ny Soufis tany avaratra-andrefan'i Zliten, ao an-tanànan'i Misrata, sy tao Tripoli renivohitra. Ireo fanafihana, nohelohin'ny UNESCO, dia niteraka hatezerana teo amin'ireo Libiana.

Arzantina: “Ampy izay” Hoy Ireo Mpanao Hetsi-panoherana Ny Politikan'ny Governemanta

Ho setrin'ny antso natao tany anaty tambajotra sosialy, nanatrona ireo fihetsiketsehana goavana natao tamin'ny 13 Septambra tany amin'ny faritra samihafa tao amin'ny firenena ny vahoaka, mba hanoherana ireo politika vao haingana nolanian'ny governemantan'i Cristina Fernandez de Kirchner

Tontolo Arabo: Tohina Tamin'ny Famonoana Ny Ambasadaoro Amerikana Tao Benghazi

Nanameloka ilay fanafihana tsy am-piheverana nahazo ny Kaonsilin'i Etazonia tao Benghazi, Libya tamin'ny alin'ny Talata 11 Septambra 2012 ireo mpikirakira aterineto nanerana ny tontolo Arabo. Amerkana efatra, ka isan'izany ny Ambasadaoro Christopher Stevens, no maty raha nitifitra balafomanga tany aminy ireo mpitolona, nandritra ny fotoana nitondràna azy ho amin'ny toerana...

Ejipta: Tanora Miatrika Ny Fitsabahan'ny Tafika Any An-tsekoly

Raha mitombo tsy misy toy izany ny fanakianana ny tafika ao Ejipta, tanora iray kosa no nanao dingana goavana naraham-pahasahiana niatrika ny fitsabatsabahan'ny miaramila amin'ny rafi-pampianarana. Miteny amin'i Ahmed Hassan i Ahmed Awadalla, dia i Ahmed Hassan ilay nijoro nanohitra ny fampidirana ny resaka ara-miaramila any an-tsekoly.

India: Endri-panoherana Amin'ny Filonana Rano Hatreny An-tenda

Mponina iraika ambidimampolo avy ao amin'ny vohitr'i Ghongalgaon avy amin'ny distrikan'i Khandwa ao amin'ny fanjakàna Indiana ao Madhya Pradesh no nanomboka hetsi-panoherana iray 'Jal Satyagraha' amin'ny filonana hatreny an-tenda tao anatin'ny ranon'ny tohodrano Omkareshwar ao amin'ny renirano Narmada. Ilay hetsika dia ho fanoherana ny fanapahan-kevitry ny governemanta hampakatra ny haavon'ny...