Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

avylavitra · Jolay, 2021

imailaka avylavitra

Lahatsoratra farany an'i avylavitra tamin'ny Jolay, 2021

India: Misaona an'i Dilip Kumar, ilay ‘mpanjakan'ny tantara mampitaintaina vokarin'ny Bollywood”

Dilip Kumar dia anisan'ireo mpilalao nalaza sy mpamokatra sarimihetsika tao anatin'ny indostrian'ny sarimihetsika indiana, niasa tamina sarimihetsika 60 mahery nandritra ny enimpolo taona mahery, ary marobe ireo misaona azy.

Ao amin'ny renivohitr'i Azerbaijan, miditra amin'ny ady teknolojika ifanaovan'ny andian-taranaka tsy mitovy ireo mpamily fiarakaretsaka

Afgan, tahaka ireo hafa mpamily fiarakaretsaka hatrizay, dia sahirana mitolona mifaninana amin'ireo fampiharana vaovao natao ho an'ny fiarakaretsaka

Noho ny tsindry avy amin'ny fanjakana, nikatom-baravarana ny Team 29, ilay vondrona malaza indrindra amin'ny fiarovana araka ny lalàna ao Rosia

Ny 19 Jolay, nanambara ny Team 29 fa hampiato ny asany mba hiarovany ny mpiasa ao aminy sy ireo mpanjifany tsy hiharan'ny mety ho fanenjehana ara-keloka.

WATCH : “Vazimba Teratany+Nomerika: Ny fomba ataon'ny tanora hanomezany aina vao ny fitenin-drazany ety anaty aterineto

Tsy hitanao ve ny fandefasana nivantana tamin'ny Jolay an'ilay kaonferansa an-tambajotran'ny Global Voices Insights momba ny anjara toeran'ireo tanora amin'ny fanomezana aina vao ny fitenim-bazimba teratany? Indro ny famerenana.

Antoko mpomba an'i Eorôpa no mitarika ny fifidianana alohan'ny fotoana ao Môldavia

Ny antoko PAS tarihan'i Maia Sandu no "voalohany amin'ny antoko mpomba an'i Eorôpa tao anatin'ny tantaram-pifidianana tao amin'ny firenena ka nahazony maro an'isa."

MIVANTANA amin'ny 13 Jolay: “Vazimba Teratany+Nomerika: Ny fomba ataon'ny tanora hanomezany aina vao ny fitenin-drazany ety anaty aterineto

Zavadehibe ny firotsahana an-tsehatr'ireo tanora amin'ny fitahirizana ny fiteny teratany mba ho velona. Mba hahafantarana misimisy kokoa, miaraha aminay hiresadresaka amin'ireo mpikatroka ho an'ny fiteny avy any Aostralia sy Meksika.

Sarivongana roa hafa ankalazan'i Kazakhstan ny mpitarika azy

Taona roa taorian'ny ny nialàna, mitohy ny fanindrahindràna olona ataon'i Kazakhstana an'i Nazarbayev. Ho fankalazana ny tsingerintaona nahaterahany, nanangana sarivongana roa ny governemanta, ny iray ao Turkistan, ary ny iray ao Nur-Sultan renivohitra

Japàna miady amin'ny “Fankahalàna Vaksiny”

Nanambara ireo faripiadidiana manerana an'i Japàna fa naharay fandrahonana ho faty tamin'ny fotoana nanombohana ilay fandaharanasa fanaovana vaksiny, indrindra fa ny hoan'ireo tanora.