Lahatsoratra farany an'i avylavitra tamin'ny Janoary, 2015
Esorin'i Filipina Mialohan'ny Fitsidihana “Famindram-po sy Fangorahana” Hataon'ny Papa Ireo Mpivarotra Madinika
Notoherin'ireo mpivarotra amoron-dàlana ao Luneta ilay taratasy fandroahana : "Tinay ny Papa. Tsy hanohintohina azy izahay. Tsy mpampihorohoro izahay".
‘Ankizy Maro No Very Amin'ny Toerana Kely Toy Izany': Misaona Ny Lozam-piara Fitateram-bahoaka i St. Vincent
Latsaka tanaty hantsana iray tao avaratr'i St. Vincent ny fiara iray fitaterana, nahafatesana ankizy dimy raha kely indrindra noho izy io nidoboka tamina morondranomasina vatovatoana.
Tandindonin-doza Ny Mpanao Hetsi-panoherana, Tsy Maintsy Hampitombo Ny Mangarahara Amin'ny Fitakiana Angon-drakitr'Olon-tsotra i Hong Kong
Tsy hoe fotsiny nampitombo ny olan'ny fahalalahana miteny ny fisamborana mpanao hetsi-panoherana, fa koa nanasongadina ireo fomba fanao manjavozavo entin'ireo masoivoho mpampihatra ny lalàna ao amin'ny tanàna sy ireo mpanome tolotra aterineto mihazona ny mombamomba ireo mpampiasa azy
Mpikorisa Ambony Ranomandry: Very Nandritry Ny Alina 2 Tany Anaty Ranomandry Saingy Ny Volony No Tsy Nitsahatra Noresahan'ny Olona
Japoney telo mpikorisa ambony ranomandry no navotana avy tany an-tendrombohitra rakotry ny ranomandry tany. Tsy hoe fotsiny nanao fialantsiny noho ny fahaverezany ny iray tamin'ilay andiany, fa koa niharan'ny sahoan-dresaka tao amin'ny aterineto mikasika ny volony.
Fandàvana Fanitrihana Am-pàsana Ny Zazakely “rom” Tao Frantsa : Anelanelan'ny Hatezerana Amin'ny Maha-olona Sy Ny Fahabangàn'ny Lalàna
Nolavin'ny ben'ny tanànan'i Champlan ny handevenana zazavavikely iray tao amin'ny kaominina iadidiany satria hoe tany amin'ny kaominina hafa no natao ny filazana fahafatesana.
Vonona Ny Hiaina “Fotoan-Dehibe” Amin'ny Fanatanjahantena Ve i India?
Rehefa resaka fanatanjahantena iraisampirenena no atao, dia heverina ho toy ny "darafify resin-tory" i India. Mitombo ny fahalinana amin'ity "darafify" ity satria manitatra ny fisehoany amin'ny baolina kitra sy ny tennis io firenena io.
Ao Jamaika: Afaka Manao Izay Hanaitaitra Ve No Sady Hitàna Biraom-panjakàna Ny Vehivavy?
Niatrika fanakianana noho ny sariny niakanjo T-shirt sy fitafy fitondra milomano nalefany tao amin'ny Istagram i Lisa Hanna, minisitry ny tanora sy ny kolontsaina ao Jamaika.
Kiobà sy Etazonia: “Tonga Ny Andro Maharavo”
Tamin'ny 1974, nosoratan'ilay Kiobàna mpanoratra tononkira no sady mpihira, Silvio Rodríguez, ny : " Ilay Andro Maharavo ho Tonga".
Mitohy Ny Fikarohana Ny Air Asia QZ8501 Taorian'ny Nahitàna Ny Toerana Nianjerany
Ny tenifototra #togetherwestand no nampiasaina tao amin'ny Twitter mba hanehoana firaisankina amin'ny namana sy havan'ireo tao anatin'ny QZ8501.