avylavitra · Janoary, 2019

Lahatsoratra farany an'i avylavitra tamin'ny Janoary, 2019

Brunei: Twestival Mampiray ny Mpiondana Aterineto

Nahavory ireo bilaogera sangany sy mpisehatra aterineto avy amin'ny lafivalon'ny firenena ilay Twestival Brunei voalohany ho fanohanana ny Ivontoerana Fampivoarana ny Ankizy, vondrona iray izay manome fanohanana ho an'ireo ankizy manana filàna manokana.

11 Janoary 2019

Maoritania: Fisamborana ny mpiandraikitra ny Taqadoumy.com

GV Mpisolovava

Nosamborina tamin'ny 18 Jona 2009 i Hanevy Ould Dahah, 32 taona, mpanorina sady talen'ilay tranonkalam-baovao sangany ao Maoritania www.taqadoumy.com , tao Nouakchott. Mpitandro filaminana tsy nampiseho taratasy milaza ny vesatra anenjehana azy no namatotra sy nitondra azy ho any amin'ny paositry ny polisy tao an-drenivohitra Maoritaniàna.

11 Janoary 2019

Nesorin'ny SourceForge Ny Lamba Nandrakotra

GV Mpisolovava

Tamin'ny Janoary lasa teo, tamin'ny andro izay nanaovan'i Hillary Clinton, Sekreteram-panjakana amerikàna, kabary momba ny fahalalahan'ny aterineto, nobahanan'ilay vondrom-piarahamonin'ny loharano misokatra, SourceForge, ny fahafahana miditra ho an'ireo mpisera ao Sodàna, Siria, Iràna, Kiobà ary Korea Avaratra, tafiditra ao anatin'ny ezaka hifandrindra amin'ny fepetra amerikàna momba ny fanondrànana harena sarobidy any amin'ireny firenena ireny. Ny Alahady, ,ilaza ny SourceForge fa nesorina ireo fibahanana, ary navoakany ny stratejiany vaovao hifandrindra amin'ny lalàna amerikàna.

11 Janoary 2019

Zimbaboe: Voabahana ny bilaogiko!

GV Mpisolovava

Ny Zoma 20 Martsa 2009, voabahana ilay bilaogy zimbaboeiàna Peace, love & happiness unto the whole world, (Fandriampahalemana, fitiavana ary hasambarana ho an'ny tany manontolo). Nanoratra mikasika izany ny mpanoratra ilay bilaogy, Eusebia, manao hoe, "Tena tsy azoko mihitsy ny antony nanakanana ny bilaogiko... Laviko ny hosivanin'ny olona na ampanginina, na avy amin'iza izany na avy amin'iza, satria fantatro ny zo maha-olona ahy ho afaka maneho hevitra an-kalalahana..."

11 Janoary 2019