Lahatsoratra farany an'i avylavitra tamin'ny Avrily, 2014
Hamafisin'ny Lalàna Miaro Ny Tontolo iainana Ao Shina Ny Sazy Ho An'ireo Mpandoto
Manome fahefana bebe kokoa an'ireo sampan-draharaha misahana ny tontolo iainana hampiasa ny fahefana hanasazy ireo mpandoto matanjaka io lalàna vaovao io ary tsy hanarontsarona intsony ny sazy ara-bola natao ho an'ireo orinasa noho ny fandotoana .
Tsy Nisy Hoe Palestina a?
Nanao fanamby tamin'ilay kabary iraisan'ny Israeliana milaza fa tsy nisy velively i Palestina ireo mpampiasa Twitter, tamin'ny alàlan'ny tenifototra : #there_was_no_Palestine (tsy_nisy_i_Palestina).
Aza Lazaina Aman'Olona Fa Miady Amin'ny Sivana Ho Avy Ny LiveJournal
Ireo goavana sasantsasany amin'ny RuNet dia efa mandefa valinkafatra sahady amin'ilay lalàna mety ho ampiasaina hanivànana ireo bilaogera mpanohitra.
Mpikambana Enina Aminà Bilaogy Itambaram-be Nosamborina Tao Etiopia
Nitatitra ireo mpiara-dia fa tanora enina mpanoratra, samy mpikambana ao amin'ny bilaogy itambaram-be "Zone Nine" avokoa, no tazonina ao amin'ny Maekelawi , toby famonjàna ao Addis Abeba.
Tonizia: “Izaho Koa Efa Nandrehitra Tobinà Polisy”
Naka ny tambajotra sosialy mba hiampangàna ny fanenjehana ara-pitsarana ireo mpanao hetsi-panoherana tamin'ny 2011 ampangaina ho "nandoro tobinà polisy" ireo Toniziana mpisera ety anaty aterineto.
Firoboroboan'i Shina, Mihisatra Noho Ny Fiatrehany Fanamby Ara-toekarena
Harin-karena faobe 7.4 isan-tajo nandritry ny efatra volana voalohan'ny 2014, ny taha ambany indrindra hatramin'ny efatra volana farany ho an'ny taona 2012.
Tsy Mila Sivana Aterineto Hoy Ny Tambajotra Sosialy Rosiana Lehibe Indrindra
Nampiasain'i Pavel Durov, mpanorina sady talen'ny tambajotra sosialy Rosiana VKontakte, indray ny kaontiny ho toy ny sehatra iray hikiahana hanoherana ny fanivànana ny aterineto
Ny Tambohoben'i Berlin Ho Anay Ao Siria
"Siriana Mpianatra Mikatsaka Hoavy Mendrika Kokoa" dia bilaogy tantanan'ireo Siriana nahazo vatsim-pianarana, izay mizara ny alahelony ny tany niaviany, ny fanantenany, ny fisalasalàny, ny ahiahiny, ny fahatokiany ary ny fanirian-dry zareo hisian'ny Siria mendrika kokoa.