Lahatsoratra farany an'i avylavitra tamin'ny Jolay, 2015
Hafatr'i Rosia Ho An'ireo Tranonkala Afaka Manafina Anarana : Akatony ny Vava Dia Ndeha Mandeha
Ofisialy izao ny famoretan'i Rosia ireo tolotra tsy fitononana anarana ety amin'ny tranonkala— amin'ny filazàna fa azo ampiasaina hidirana amin'ireo votoaty izay nampidirina tany aloha tany ho ao anaty lisitry ny antontan-kevitra fampihorohoroana sy nobahanana ao Rosia izy ireny.
Mitety An'i Brighton : Ireo Adiresy Tsara Avy Amin'ny Global Voices
Ireo toerana sy adiresy lalàin'i Gwenaelle, mpandikateny ato amin'ny Global Voices, monina ao Brighton any Angletera.
Mianàra Fomba 40 Firesaka Amin'ny Tànana Ampiasain'ireo Aborizena Hifandraisany Manerana Ny Tany Efitra Andrefan'i Aostralia
Lahatsary iray ao anatin'ny tetikasa Great Sandy Desert (Efitra Torapasika Midadasika) any Andrefan'i Aostralia, mampianatra momba ireo fomba firesaka amin'ny tànana ampiasain'ireo vehivavy zokiolona Aborizena rehefa mampianatra ny fomba fiteny Kukatja.
Olan'i Gresy Manosika Ireo Foko Grika Sasantsasany Hiverina Amin'ilay Nosy Tiorka Niaviany
Ifampizaràn'ny Grika sy Tiorka ny fitiavana sy ny rehareha noho ilay nosy mahafinaritra antsoina hoe Gökçeada ho an'ny taloha ary Imbros ho an'ny taty aoriana.
Mirarak'ompana Ny Teorian'ny Firaisana Tsikombakomba Taorian'ilay Vaky Fonja Tao Trinidad
Rehefa tsy misy ny filazàna ofisialy ataon'ny sampandraharaha natao hiaro eo amin'ny fireneny, dia ireo mpisera ety anaty aterineto no mizara ny teoria avy amin'izy ireo mikasika ny vaky fonja tamin'ny 24 Jolay tao amin'ny renivohitr'i Trinidad.
Nikaragoà : Misaona Fianakaviana 3 Niara-maty Novonoin'ny Polisy Nandritry Ny Fifanenjehana
Ny nahafatesan'ireo olona telo avy taminà fianakaviana niara-maty no zava-doza farany indrindra nanaratsy endrika ny Polisim-Pirenena ao Nikaragoà. Mety hiraikitra eto ny hatezeran'ny firenena manontolo.
Ny Fomba Anovàn'ny Boko Haram Ny Politika Iraisampirenena Ao Afrika Andrefana sy Afovoany
Namerina indray ny fanafihany firenena Afrikana maro ny Boko Haram tato anatin'ny herindrano maro lasa. Ireto ny famintinana ireo fifandonana nisy tamin'ity taona ity tany amin'ny faritra hatramin'ny anio.
Tsy Voatery Hanaraka Ny Lalàna Momba Ny Angon-drakitra Fijerena Toerana Ny Twitter Hoy i Rosia
Nambaran'ireo manampahefana fa afaka tsy miraharaha ilay lalàna vaovao manomboka hanan-kery amin'ny 1 Septambra izao ny Twitter, lalàna izay mitaky ny mpanome tolotra ety anaty aterineto hanangona ny angon-drakitra rehetra momba ireo Rosiana mpampiasa azy ho ao anaty lohamilina any Rosia
Ny Fandosiran'i Qurghonteppa, Midika Fanoneran-keloka Shawshank Ho an-dry Zareo Tajik
Taorian'ny nandosiran'ny mpifonja iray tamin'ny alàlan'ny fiaran'ny lehiben'ny fonja avy any amin'ny tanàna niavian'ny filoha Tajik, noarahabain'ireo mpisera ety anaty aterineto ilay polisy nandà ny tsy hanao lalao maloto.
Ny Mandeha Amin'ny GV Radio Volana Jolay
Jereo izay mandeha ao amin'ny GV Radio ny volana Jolay, ilay onjam-peo ety anaty aterineto ahenoanao feo, resadresaka, ary mozika avy amin'izao tontolo izao.