Lahatsoratra farany an'i avylavitra tamin'ny Jona, 2020
Fanongotana sarivongana (tsangambato) : Frantsa miatrika ny lasany momba ny fanjanahana sy ny fanandevozany
Tena ao anatin'ny fanetsehana erantany manohitra ny fanavakavahana, mizarazara ny hevitra ao Frantsa momba izay hiafaran'ireo sarivongana mampiseho endrika mifandray ara-tantara amin'ny fanandevozana sy ny fanjanahantany.
Tranonkala sôsialy shinoa miampanga ny Fetiben'ny fihinanana hena alika ao Yulin
Niteraka fampiakarampeo mafy tety anaty tambajotra, tonga hatramin'ny fanaovana antso hanaovana ankivy ilay hetsika, ny fetibe fanao isantaona atokana ho an'ny hena alika ao Yulina, faritanin'i Guangxi, atsimo-andrefan'i Shina
India : Sakafo Indiàna tsara voatra atolotr'ireo sefo ao amin'ny Youtube
Noho ny fizaràna ny fomba fahandrony amin'ny fomba hita maso sy atao antsipirihany, mitombo be ao amin'ny Youtube ny lazan'ireo sefo indiàna mpahandro ao India sy any an-toerana hafa.
Fanontaniana & Valiny: Fantaro i Walis Taywang, mpikatroka ho an'ny fiteny Seediq
Fantaro misimisy kokoa i Walis Taywang. Izy no hitantana ny kaonty Twitter @AsiaLangsOnline ny 01-07 Jolay 2020 ary hiresaka momba ny asa ataony ho an'ny fiteny Seediq ampiasina ao Taiwan
Ny “Asado” orogoaiàna , mihoatra lavitra noho ny resaka kitonotono
Tsy misy, na zara fa misy, olona mikarakara kitonotono ho an'ny tenany samirery. Io mariky ny finamànana io dia mitondra ny olona hifanatri-tava, mampifanatona ireo rehetra nifanalavitra noho ny antony maro isankarazany.
Noho ny fitiavan-tsakafo ( -n'izao tontolo izao)
Afaka mampiray antsika ny sakafo. Mamaritra antsika ny sakafo. Ary vao mainka nahamora zavatra ny aterineto mba hitrandrahantsika ny maripamantarana antsika sy ireo fomba nentindrazana amin'ny lafiny hainahandro.
Jona 2020, iray volan'ny #BLM ao Japàna
Ny volana Jona, nitranga tany aminà tanàna isankarazany manerana an'i Japàna ireo famoriambahoaka "Black Lives Matter", tafiditra ho isan'ny fanehoana firaisankina erantany miaraka amin'ireo mpanao hetsipanoherana ao Etazonia sy any amin'ireo firenena hafa.
Antsafa natao tamin'i Alcides Javier Torres Gutt, mpikatroka nomerika ho an'ny fiteny Guaraní
Fantaro misimisy kokoa i Alcides Javier Torres Gutt. Izy no hitantana ny kaonty Twitter @ActLenguas ny 15 hatramin'ny 21 Jona 2020 ary hiresaka momba ny asa ataony ho an'ny fiteny Guaraní
Ahoana ny fomba ataon'ny literatiora nentindrazana Nepaley hametraka marika eo amin'ny sehatra erantany?
Ny talen'ny hetsika Global Literature in Libraries Initiatives (GLLI) no manazava ny fomba afaka ataon'ny literatiora nepaley mba hahazoany olona betsaka kokoa.
Feminista sy mpiaro mpiasa ao Meksika, miatrika andiam-pisamborana sy fampidirana am-ponja
Fandrahonana, fisamborana ary fampidirana am-ponja no nitranga tao anatin'ny 15 andro latsaka.