Fitakiana Fanesorana Ny Filohan'ny Antenimiera Ao New Zealand Noho Ny Resaka Sotasota Ara-nofo Manàla Baràka

New Zealand Speaker David Carter ejects female MPs

David Carter, filohan'ny antenimiera ao New Zealand nandroaka ireo vehivavy mpikambana ao amin'ny  Parlemanta. Dikasary avy ao amin'ny TV NZ.

Niteraka tabataba be ny nataon'ilay filohan'ny Antenimieram-pirenena ao New Zealand, David Carter, taorian'ny nandroahany ireo vehivavy marobe mpikambana ao amin'ny Parlemanta izay niezaka namaky bantsilana fa hoe niharan'ny sotasota ara-nofo izy ireo.

Ilay fifandirana dia narahan'ny famelezan'ny Praiminisitra John Key ireo mpikambana avy amin'ny mpanohitra ho “ao an-damosin'ireo mpanolana”, tamin'ilay fitazonana olompirenena niteraka resabe tao New Zealand any Aostralia. Niandry ny valin'ny fampakàrana didy momba ny fandroahana azy ireo ry zareo ireo, izay mihatra amin'ireo efa nanana raharaha fidirana am-ponja maherin'ny taona iray.

Notsindrian'ny Praiminisitra ny zavamisy, hoe ny ankamaroan'ireo olompirenena avy ao New Zealand voatàna am-ponja any Aostralia dia noho ny resaka vono olona sy fanolanana avokoa.

Nahatsiaro tohina tamin'ny fanamarihana nataon'ny praiminisitra ny sasany tamin'ireo vehivavy ao amin'ny Parlemanta ka nitaky  fialantsiny avy amin'ilay mpitarika. Ny sasany tonga hijoro vavolombelona hoe niharan'ny sotasota ara-nofo izy ireo saingy nosakanan'ilay mpandray fitenenana.

Raha manontany tena ianareo ny antony tsy itenenan'ireo niharan'ny sotasota ara-nofo, dia mariho fotsiny ny fomba nanilihan'ny Filohan'ny Antenimiera ireo nanao izany

Fahatsapàna iray ifampizaràn'ny betsaka no nasehon'i Paul Williams tao amin'ny Twitter eo ambanin'ny tenifototra #SacktheSpeaker :

Rikoriko amin'ny governemantantsika amin'izao fotoana izao

Maro no velona ahiahy hoe nohamaivanin'ny fampiasan'ny politika azy io hakàna vato fotsiny ny olan'ny sotasota ara-nofo :

Mora ny tsy manisy vidiny ny fanolànana, fa in-jato sarotra kokoa ny miroso hatrany

Nanaiky i Eleni Grace, tamin'ny fizaràna ny lahatsarin'ny Antoko Maitso momba ilay andrana hamaky bantsilana tao amin'ny Parlemanta.

Zavatra tsy tokony hatao tsinontsinona ny fanolànana. Vehivavy #1amin-ny4 ry @JohnKeyPM Toa mila mamerina mitadidy ianao

Dia nanana ny mpanohana azy ingahy Filoha David Carter, izay ny sasany nanontany ny maha-mahitsy sy mendri-kaja ireo izay naneho hatezerana tamin'ilay tranga :

Leo ny mody hoe hatezerana, sy ireo mpikambana mihorakoraka ireo mpikambana hafa ho any amin'ny Antenimiera, ary mampivanàka amin'ny famoahana krizinà fahatongavam-pofona sy fandehanana mivoaka ny trano

Tsy nitsitsy mihitsy i Allan Buxton tamin'ny kiana nataony :

Tsinontsinona fa erotra mandroatra ireny Parlemantera izay nanao fotsiny ny hamoahana azy hivoaka ny trano ireny. #NZQT. Fantatro fa mandratra ny mandre izany saingy izany no zavamisy raha ny hevitro manokana

Raha raisina an-tànana hotsaraina, tsy naman'ny Praiminisitra Key i ArrestJK ary mety te-hahita endrika demaokrasia hafa ampiharina:

Amin'izao fotoana toa maha-lohalaharana ny #nzqt amin'ny seho mivantana izao, afaka manomboka mifidy olona ao ve isika? John Key sa David Carter, safidy henjana

Nanolotra vahaolana somary misy asa famoronana kokoa aza i Matthew Codd:

Atsipazo eny amin'ny masoandro i John Key sy David Carter

F'izany eo ihany, azo anaovana fanamby fa tsy ho matetika ho lohalaharana amin'ny fironana nasionaly ao amin'ny Twitter akory ny filohan'ny antenimiera ao New Zealand :

Fironana LOHALAHARANA ao New Zealand i David Carter ankehitriny. Tsidiho ny https://t.co/MSDhFJQIZV   hijerena ireo lahatsary sangany any amin'ny faritra misy anareo

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.