Lahatsoratra farany an'i avylavitra tamin'ny Aogositra, 2011
Arabia Saodita: Tenifototra Manokana Ho An'ny Mpanjaka Ao Amin'ny Twitter!
Tenifototra iray amin'ny teny Saodiana manao hoe #tal3mrak izay raha adika ara-bakiteny dia manao hoe "Andriamanitra anie hanome tombon'andro anao" na "ny andriamanjaka" raha atao amin'ny teny Tandrefana no nandrakotra ny Twitter androany (28 Aogositra 2011). Zava-tsy nampoizina ho an'ny maro ilay tenifototra, izay tsy nihevitra velively fa ny Saodiana mpiondana aterineto dia hanana faharisihana hiresaka amin'ny feo avo amin'ny fomba tahaka izany rehefa mitodika amin'ireo manampahefanan-dry zareo
Fetiben'ny Bilaogy: Meksika – Ny Fampahalalam-Baovaon'Olon-tsotra Eny An-tsehatra
Ity no ampahany faharoa amin'ny tatitra momba ny Fetiben'ny Bilaogy 2011 mamintina ny fomba fijerin'ireo bilaogera Meksikana ny fomba fampiasàna ny mediam-bahoaka hitaterana ny herisetra, ary ambonin'ny zavatra rehetra, ny anjara toerana tànan'ny fampahalalam-baovaon'olon-tsotra ao anatin'io sehatra mahery setra io.
Fetiben'ny Bilaogy: Meksika – Midradradràdra Ny Herisetra
Ny Fetiben'ny Bilaogy 2011 nataonay voalohany dia nitondra ny lohahevitra hoe "Meksika - Vahoaka, Herisetra ary Bilaogy". Ao anatin'ny ampahany voalohany amin'ny famintinana farany, arantinay ny fihevitr'ireo Meksikana mpitoraka bilaogy momba ireo tranganà herisetra nitranga taloha tao amin'ny fireneny sy ny fomba andraisan-dry zareo izany ary anehoany ny fangirifiriany rehefa mahadòna azy ireo ilay herisetra.
Ejipta: Ny Miaramilan'ny Facebook-n'i Omar Soliman
Nisy fitsapan-kevitra iray nokarakarain'ny Filankevitra Ambonin'ny Tafika tao amin'ny pejy Facebook-ndry zareo mba hahitàna hoe firy avy no mety ho mpanohana ho azon'ny mpirotsaka tsirairay eny an-kianja amin'izao fotoana izao, namoaka vokatra 'mampiahiahy'. Indreto ireo fanehoan-kevitra sasantsasany tao amin'ny aterineto taorian'ny nivoahan'ilay vaovao hoe nisy fanaramàna miaramilan'ny Facebook mba hanodinana azy ireny.
Venezoela: Fikorontanan'ny Fidirana Amin'ny Blogger.com

Nandritra ny volana Aogositra, nitaraina ireo bilaogera Venezoeliana mikasika ny olana amin'ny fidirana ao amin'ny tolotry ny Blogger.com. Manamafy ny olona fa, na dia efa notaterina im-betsaka tany amin'ny CANTV aza ilay olana ( CANTV ilay ISP Venezoeliana mpanome tolotra aterineto izay an'ny fanjakàna), tsy misy mihitsy valinteny mba nomen'ilay orinasa, sady tsy mba novahany ny olana
Lahatsary: Vehivavy Manova Ny Fiarahamonina
Ny Voices of Women Worldwide (Feon'ny Vehivavy Manerantany) dia managona ireo olona manerana izao tontolo izao ka liana amin'ny fanaovana izay hahenoana ny feon'ireo vehivavy tsy mba nisy mpihaino, ireo tovovavy sy ankizy mampiasa ny karazana media rehetra azony raisina: lahatsoratra am-bilaogy, feo, lahatsary ary fampitam-baovao amin'ny haino aman-jery.
Repoblika Dominikana: Rita Indiana, “Ny Tetikasa Toy Ny Ahy Dia Nandray Betsaka Tamin'ny Tambajotra Sosialy sy ny Aterineto”
Tanaty tafatafa tanteraka noho ny fiaraha-miasan'ny tambajotranà bilaogera sy namana, ilay Dominikana mpanoratra tononkira , mpihira, mpanoratra, ary mpiseho an-tsehatra Rita Indiana dia miresaka momba ny maha-izy azy manokana amin'ny lafiny hira, ny tontolon-javakantony maro sosona, ny tetikasany amin'ny hoavy, ary ny fifandraisany amin'ny fampitam-baovaon'olon-tsotra na ny Media sosialy sy ny Aterineto, ankaotr'ireo lohahevitra hafa
Espana: Famoretana An-kerisetra Nataon'ny Polisy Tamin'ny Mpanao Gazety Nitatitra ny “Diabe Laika”
Ny fitsidihana vao haingana nataon'ny Papa Benedicto XVI tao Espana dia niteraka fanaovana "Diabe Laika" iray ho fanoherana ny fampiasàna ny volam-bahoaka amin'ny resaka fivavahana ao anaty fanjakana laika. Ny fifandonana teo amin'ireo laika sy ireo olom-pinoana dia niafara tamin'ny famoretana an-kerisetra nataon'ny polisy tamin'ireo mpanao gazety nitatitra ny zava-nitranga. Ny Global Voices dia manolotra fantina lahatsary avy amin'ireo fihetsiketsehana.
Pakistana: Nahazo Rariny Ny Tanora Taorian'ny Nivoahan'ny Lahatsarin'ilay Vono olona Tsy Nandalo Fitsaràna
Ny 8 Jona 2011, maty voatifitra ny tovolahy iray 19 taona, tena tfitra akaiky tokoa nataonà Rangers Pakistane iray tao Karachi. Nivoaka anefa ny lahatsary izay nahatonga ny maro hisaina fa tsy nitondra fitaovam-piadiana izany io tanora io. 2 volana monja taorian'ilay zava-nitranga, voaheloka ho faty ilay manamboninahitry ny rangers voampanga nanao ny tifitra.
Tonizia: Mitohy Ny Hetsi-Panoherana, Mitohy Koa Ny Herisetran'ny Polisy
Nirotsaka an-dalambe ireo mpanao fihetsiketsehana tao Tunis ny Alatsinainy teo (15 Aogositra). Tafiditra ho anisan'ny anton'ny fitakian-dry zareo ny fananganana fitsaràna tsy momba ny atsy na ny aroa afaka hitsara ireo manampahefana mpanao kolikoly sy ny namono ireo “Mahery fon'ny Revolisiona”. Mamintina ny fanehoan-kevitra avy amin'ireo fampahalalàm-baovaon'olon-tsotra i Afef Abrougui ato anatin'ity lahatsoratra ity.