Tany am-piandohan'ity volana ity, an-jatony ireo olona avy any Sulawesi Atsimo no niaraka tamin'ny fankalazàna ireo dihy nentin-drazan'ny Indoneziana, nandritry ny fetibe ara-kolontsaina Toraja fanao isantaona.
Vondrona vazimba teratany avy any amin'ny faritra be tendrombohitra ao Sulawesi Atsimo ny Toraja. Misy fetibe ara-kolontsaina fanao isantaona, antsoina hoe “Toraja Mahafatifaty” manome lanja ireo hira sy dihin'ilay vondrom-poko. Natao tao amin'ny Tanànan'i Rantepao ny hetsika tamin'ity taona ity, ny 9 Novambra teo .
Mpianatra niisa 500 nanao ny dihy diamanga Sisemba sy Pagellu no nanombohan'ny fetibe. Avy eo narahan'ny dihin'ny ady Ma'tenten, izay lalaovina rehefa misy ombidia atao sorona mandritry ny lanonana iray nentim-paharazana. Manaraka, ny dihy Mangaru’ no lalaovin'ireo mpandihy—dihy iray izay tany am-piandohany dia nomanina hanomezana voninahitra ireo mpitarika ny vondrom-piarahamonina. Ny dihin'ny mpiantafika (antsoina hoe “Ma'randing“) no niarahabàna/nandraisana ireo vahiny manankaja taminà lanonana lehibe ho an'ny fiandrianana. Nanao fanamiana miaramila ireo mpandihy ary nitondra sabatra sy ampinga lehibe.
Ny dihy Toraja tranainy indrindra, Pa'Tirra’, dia natao nandritry ny lanonana Rambu Tuka’ (fanehoana fankasitrahana an'Andriamanitra). Raha ny finoana dia avy any an-danitra no niavian'ity dihy ity niaraka tamin'i Puang Matua, ilay Mpahary Tsitoha, mandritry ny lanonana Nabua. Nampiasa fitaovana fiadiana vita avy amin'ny volobe ireo mpandihy no sady nihiakiaka tsy nitsahatra mba handroahana ny fanahy ratsy.
Ho fanampin'ny fanolorana ireo dihy sy hira, zavatra iray nasongadin'ny fandaharam-potoana ihany koa ny fitanjozoran’ireo ombidia bobo miisa enina. Biby natao sorona nandritry ny lanonana Toraja ny ombidia. Aorian'ny fanaovana sorona ilay biby, ampiasaina ho haingon'ny Tongkonan ny tandroka, ilay trano nentim-paharazana ao Toraja.
Nanatrika ny fetibe ireo masoivoho avy any Zimbaboe, Shily, Kroatia, Vietnàma, Bangladesa, Mongolia, ary diplaomaty hafa avy aminà firenena folo. Novinavinaina ho olona 110.000 teo no nitsidika ilay faritra mba hanjohy ireo fety fankalazana ny Toraja.
Ireto ambany ireto ny sasany tamin'ny sary avy amin'ny fetibe “Toraja Mahafatifaty” 2015 :