Lahatsoratra farany an'i avylavitra tamin'ny Novambra, 2011
Ejipta: Miteraka Fanontaniana Momba An'i Etazonia Ny Entona Mandatsa-dranomaso Tonga Tamin'ny Sambo
Nampisavoritaka ny mpiondana aterineto ny fahatongavana entana miaty baomba mandatsa-dranomaso tao Ejipta avy any Etazonia. Naman'ny Revolisiona Arabo vei Etazonia sa mpanohana ireo Arabo mpanao jadona?
Teny: Hafanàm-po Anaty Aterineto Hanavotana Ny Teny Chakma

Ny teny Chakma izay teny ifangaroan'ny endri-tsoratra Indiana sy ny Eraopeana tenenin'ny olona manodidina ny 310.000 any atsimo atsinanan'i Bangladesh ary 300.000 hafa any India amin'ny ankamaroan'ireo any amin'ny ilany Atsinanan'i India. Ny fanoratra azy dia mampiasa ny endri-tsoratra Chakma izay miala aina noho ny ankamaroan'ireo Chakmas tsy manana fahafahana mianatra ny tenin'izy ireo akory any an-dakilasy.. Saingy ireo olona avy amin'ny Chakma dia mampiasa ny media sosialy sy ny haitao hita anaty tranonkala mba hanairana ny saina sy hanelezana ny tenin-dry zareo.
Israely: Ampitahorin'i Netanyahu Hosoloina Dokotera Indiana Ireo Mpianatra Ho Mpitsabo
Taorian'ny volana maro nisianà hetsi-panoherana, Benjamin Netanyahu, Praiminisitra Israeliana dia nanolo-kevitra ny tokony hanoloana ireo mpianatra ho mpitsabo aminà mpiasa vahiny mpila ravinahitra avy any India raha toa ka tsy hita izay marimaritra iraisana amin'izy ireo.Naneho hevitra tany anaty aterineto ireo mpianatra ho mpitsabo, miaraka aminà vazivazy sy esoeso.
Espaina: Resabe Manodidina Ny Fifidianana Parlemantera
Ny PP (Popular Party) ao Espaina no nandresy tamin'ny fifidianana tamin'ny ampaham-bato be indrindra. Chris Moya no miteny amintsika mikasika ireo resabe sasany tany amin'ny biraom-pifidianana.
Ejipta: Fitsaram-bahoaka Ho Fiatrehana Ny Habibian'ny Polisy
Navoakan'ireo mpampiasa ny media sosialy ao Ejipta ny mombamomba ilay manampahefana ao amin'ny polisy voampanga ho nanao ny mason'ireo mpano hetsi-panoherana ho lasibatra. Mitatitra ny fipongaran'ny fitsaram-bahoaka maro samihafa ao amin'ny firenena i Tarek Amr.
Aostralia: Mampizarazara Ny Firenena Ny Lalàna Vaovao Manan-tantara Momba Ny Vidin'ny Entona Karbona
Farany, tamin'ny 8 Novambra 2011, ny Parlemanta Federaly Aostraliana dia nandany ilay Volavolan-dalàna nahabe resaka momba ny Angovo Madio. Ny lalàna dia nampiditra hetra $A 23 isaky ny taonina amin'ny entona karbona hatramin'ny Jolay 2012, mitarika mankany aminà fandraharahàna ara-barotra momba ny famokarana entona (cap and trade) aorian'ny 3 taona. Mifamahofaho be ny fanehoan-kevitra eo anivon'ny aterineto.
Arabia Saodita: Hatezerana Noho Ny Kàpoka 10 Ho Anà Vehivavy Namily Fiara
Enim-bolana lasa izay, nitondra ny fiarany teny an-dàlambe iray tao Jeddah i Shaima Jastaniya. Tamin'ny Septambra, voasazy handray vely karavasy 10 i Jastaniya noho izany. Nahazo fiantsona hiseho eny amin'ny fitsaràna ireo vehivavy roa mpanao gazety nitatitra ny fanasaziana azy.
Ejipta: Miverina Indray Ny Revolisiona!
Maherin'ny 100.000 ireo olona voalaza fa ao amin'ny Kianja Tahrir amin'izao fotoana, ary ny polisy sy ny tafika dia mitohy midaroka ny mpanao fihetsiketsehana mangataka ny fitsaharan'ny fitondràna miaramila ao Ejipta. Anaty ady tsy mitsahatra manenjika ireo olona mitam-piadiana miasa ho an'ny governemanta Ejiptiana ireo mpanao fihetsikesehana hatramin'ny Zoma ary ankehitriny dia mitoetra ho tsy azo hozongozonina ao an-kianja mandra-pivalin'ny fangatahan-dry zareo.
Tonizia: Nampizarazara Ireo Toniziana Mpiondana Aterineto Ny Famonoana Toniziana Iray Tao Iraka
Nampizarazara ny Toniziana mpiondana aterineto ny namonoana an'i Yosri Trigui, Toniziana iray voampanga ho mpampihorohoro. Mpampihorohoro nahazo izay mendrika azy, sa tanora niharan'ny fandrebirebena, sy fitsarana tsy manaraka ny fenitra iraisam-pirenena? Vakio ny angona nentin'i Read Afef Abrougui avy amin'ny fanehoan-kevitr'ireo Toniziana mba hahafantaranao azy.
Teny: Fifanakalozan-dresaka Amin'ny Teny Cherokee Miaraka Amin'Amboadia

Izy dia amboadia vorodamba mitondra ny anarana hoe ᏩᏯ ary milalao an-tsehatra ao anatin'ilay andian-tantara an-dahatsary ao amin'ny Youtube natao hitadiavana fomba sady mampiala voly no handrisihana ny fampiasàna ny teny Cherokee hifampizaràna ny kolontsaina amin'ny alàlan'ny fifandraisana.