Lahatsoratra farany an'i avylavitra tamin'ny Jolay, 2013
Chicas Poderosas: Manomboka Tambajotra Iray
"Te-handrisika izay fomba fijery mirona amin'ny fandraisana andraikitra sy ny fanahin'ny fandraharahàna izay izahay.... miasa betsaka ary vitsy teny!" hoy Chicas Poderosas mpanangana, manazava ny nanaitra ny aingam-panahiny hanomboka ny tetikasa mba handrisihana ireo vehivavy ho amin'ny sehatry ny fanaovan-gazety. mpanadihady.
Manamarika ny ‘Telo Andron'ireo Voafonja’ ireo Saodiana fianakavian'ireo Voafonja
Nanamarika ny Andro Fahatelo ho an'ireo Voafonja ny fianakavian'ireo Saodiana voatàna am-ponja, mba ho fanoherana ny fitazonana tsy ara-drariny ireo havany. Iray amin'ireo firenena mbola mandàla ny fitondrana mpanjaka tsy refesi-mandidy eran'izao tontolo izao i Arabia Saodita sady manana ny isa tsy azo anoharana amin'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona, izay misy olona mihoatra ny 30.000 voatàna tsy an-drariny.
Avoakan'ny Anonymous Ireo Kaontin'ny Antoko Mitondra Ao Espaina
Fikambanan'ireo 'hactivistes' manerantany ny Anonymous izay namoaka ny kaontim-bola nandritra ny taona 1990-2011 an'ny Partido Popular (PP)[People's Party], antoko ao amin'ny fitondrana.