Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

avylavitra · Novambra, 2009

imailaka avylavitra

Lahatsoratra farany an'i avylavitra tamin'ny Novambra, 2009

Puerto Rico: Kiaka manohitra herisetra

25 Novambra, ao anatin'ny fankalazana ny Andro maneran-tany natao hamongorana ny herisetra atao amin'ny vehivavy, izay manamarika ihany koa ny andro voalohany maeran-tany amin'ny hetsika 16 andro hanoherana ny herisetra [16 Days of Activism Against Gender Violence], dia vehivavy mpitoraka blaogy avy ao Puerto Rico no nanoratra lahatsoratra momba ny...

Ozbekistana: Tashkent, tanàna maitso. Sa tsia?

Notapahana ireo hazo antitra tao afovoan-tananan'i  Tashkent – tanatin'ny iray andro dia niparitaka tao an-tanàna ilay vaovao nahatafintohina. Photo by goricvet Planetrees, na platanus [Avy amin'ny Mpandikateny: najanona amin'izao ny anara'ny hazo fa tsy fantatro amin'ny teny Malagasy], novolena tany amin'ny faramparan'ny taonjato faha-19 tany, no notapahana tao amin'ny zaridainam-pokonolona...

Malezia-Singapore: averina dinihana ny fifanarahana momba ny rano

Singapore dia màka efa ho ny antsasaky ny filàny rano any amin'ny mpifanolo-bodirindrina aminy, Malaysia. Miisa roa goavana ny fifanarahany momba ny rano amin'i Malezia. Ny iray amin'ireny fifanarahana ireny dia ho tapitra afaka roa taona. Ny Praiminisitra teo aloha, avy amin'ny alalàan'ny blaoginy, dia manontany raha toa ny governemanta...

Maraoka: Indro tonga ny Masoandro

Nambaran'i Maraoka tamin'ity herinandro ity ny fanombohan'ny tetikasa angovo azo avy amin'ny masoandro, mitentina hatramin'ny 9 lavitrisa $, hampiakarana ny tahan'ny angovo azo havaozina amin'ny famokarana angovo eo amin'ny firenena. Ireo mpitoraka blaogy mankasitraka azy io no tena maro mizara ny eritreriny.

Arabia Saodita: Doka ho an'i Grande Bretagne avy amina mpitoraka blaogy iray

Maram Meccawy dia Saodiana mpanoratra sady mpitoraka blaogy, monina sy miasa any Grande Bretagne. Tsy ela akory izay dia nanoratra lahatsoratra iray izy, nantsoina hoe “Nahoana aho no vonona hiaro an'i Grande Bretagne?

Syria: Ny lahatsoratra tsara indrindra sa ny faran'izay ratsy e?

Matetika ireo mpitoraka blaogy Siriana no manakiana lahatsoratry ny mpivahiny momba ny firenen-dry zareo - mazana izy ireny no "stereotypical" loatra, indraindray moa dia diso tanteraka. Ary ho an'ny firenena izay tondroina ho “nitoka-monina” ela, fara-faharatsiny avy any Etazonia, tena mankarary manokana ny saina ny mahita ny lahatsoratra toy izany...

Irana: Afaho i Hossein Derakhshan

Ao anatin'ny faha-herintaonan'ny namonjàna ilay Iraniana mpitoraka blaogy naha-be resaka, Hossein Derakshan, dia mandefa fanentanana ireo mpiray tanindrazana aminy mba hitazonana ny saina tsy hatoritory momba ity famonjàna azy ity.