Lahatsoratra farany an'i avylavitra tamin'ny Septambra, 2014
“Izaho, Nisitraka Ny Rafitra Fetran'isa isam-poko Fahiny” : Fijoroana Vavolombelon'ilay Breziliana Tovovavy Mahantra, Mainty Ary Feno Fahasahiana
Ampahana fijoroana vavolombelona nataonà Breziliana tovovavy mainty hoditra nifanamby amin'ireo hevitra raiki-tampisaka sy ny fanavakavahana, noho ny rafitra fetran'isa isam-poko. Manamafy izy fa mahomby io rafitra io na manelingelina aza.
Ambaran'ireo Mpampiasa Twitter Ao Indonezia Ny Fahafatesan'ny Demokrasia Raha Ny Mpanao Lalàna Kosa Manilika Ny Fifidianana
Nalaza tao amin'ny Twitter ny tenifototra #RIPDemokrasi (mandria am-piadanana ry demôkrasia) sy ny #ShameOnYouSBY (henatra ho anao ry SBY) raha naneho ny hasosorany tamin'ny fandaniana lalàna sy ny tsy fankasitrahany ilay filoha teo aloha, SBY, ry zareo Indoneziana.
Fifandonana Henjana Teo Amin'ny Polisin'i Hong Kong Sy Ireo Mpianatra Nanao Hetsi-panoherana Am-pilaminana
Anjatony ireo mpianatra mpanao hetsi-panoherana no nanangana ny tànany hanehoany fa tsy mitondra fitaovam-piadiana ry zareo ary nanao ampinga olombelona mba hisakanana ireo polisy mpandrava korontana. Saingy nasian'ny polisy tamin'ny tsifotra tsiperifery izy ireo ary ampolony no voasambotra.
Ireo Saribakoly Vaventy Hetsehan-tànana No Manokatra Ny Adihevitra Momba Ny Olana Sosialy Ao Mozambika
Fantaro ny tantara sy ny aingam-panahy entin'ireo saribakoly vaventy hetsehan-tànana izay namelona ny arabe sy ny tsena tao Mozambika.
Niady Ny Ady Maharitra Hanoherana Ny Fahantràna Tao Meksika ity Fikambanana ity
Nanampy hanorina trano maherin'ny 3.000 tany amin'ireo faritra tena mahantra tao Meksika ny fikambanana iraisam-pirenena TECHO. Mijery ny tsy fitoviana tsikaritry ny TECHO tao Xochimilco ny Global Voices.
La Nation: Manomboka Ny Fanenjehana Ireo Tsy Mitovy Hevitra
Niteraka resaka be teto Madagasikara ny mikasika ilay artikla faha 20 mikasika ny heloka atao ety anaty habaky ny serasera (cybercriminalité). Betsaka ny ranomainty no efa niraraka, maro ny feo...