Nahazo Aina Vaovao Indray Ilay Afisim-pizahantany Mametraka An'i Jamaika Ao Anaty Sarintany

A screen grab from the Jamaica Tourist Board 1972 television commercial, featuring Sintra Arunte-Bronte.

Pikantsary avy amin'ny dokambarotra amin'ny fahitalavitra Jamaica Tourist Board 1972, mampiseho an'i Sintra Arunte-Bronte.

Tamin'ny 1972, nampalaza an'i Jamaika ilay tanora mpilatro Trinidadiana, Sintra Arunte-Bronte tamin'ny sary miaraka amin'ny T-shirt mando misy ny anaran ‘ny nosy mivandravandra eo anoloana.

Ny biraom-pitantanana ny fizahantany ao amin’ny firenena no nanao ny afisy, ary nametraka an'i Jamaika ho toerana falehan'ny Karaiba tamin'izany fotoana izany.

Ankehitriny, nahazo aina vaovao indray ilay afisy noho ny namerenan'ilay Amerikana mpiangaly mozika Alicia Keys namorona azy ho avy amin'ny sariny sy ny namoahany azy ao amin'ny Instagram, miaraka amin'ny fanehoan-kevitra hoe:

I always wanted to redo this 1972 classic! #funtimes

Naniry hatrany ny hanao indray ity asa-kanto klasika 1972 ity aho

Tamin'ny fotoana nanoratana, nahazo “tiako” teo amin'ny 100.000 ny lahatsoratr'i Keys sy fanehoan-kevitra mankasitraka teo ho eo amin'ny 3000. Fankasitrahana ihany koa ny fanehoan-kevitra avy amin'ny mpiserasera Jamaikana:

Misaotra an'i @aliciakeys tamin'ny fandraisanao anjara tamin'ny kolontsain'i Jamaika

Voatàna hamoaka indray ity asa-kanto 1972 ity i @aliciakeys

Faly ireo mpisera Twitter sasany fa velona indray ny afisy orizinalin'i Sintra:

Niverina hita indray i Sintra tamin'ny Afisy malaza misy azy mitafy t-shirt malaza manerantany

Na izany aza, tsy matoky loatra ny bilaogera iray – araka ny fiaikeny, tahaka ireo Jamaikana maro hafa, hoe teratany ilay sarin'ny tovovavy amin'ny afisy 1972 :

Some 30+ years later, like the return of the ghost of yesterday’s past, the image is again being talked about. And it was through this buzz that I, like many other Jamaicans became aware of her name; Sintra Arunte-Bronte.

To my surprise and disappointment, she is not a Jamaican national. Disappointed, I say, because Jamaica has more than enough home grown models to choose from, but hey, reasons and politics behind that could be substantial.

30 taona mahery tatỳ aoriana, tahaka ny fiverenan'ny matoatotan'ny lasa omaly, mbola resahina indray ny sary. Ary tamin'ny alalan'izany resabe izany, nanjary nahafantatra ny anaran'i Sintra Arunte-Bronte ny tenako, tahaka ireo Jamaikana maro hafa.

Akory ny hahagagako sy ny fahadisoam-panantenako, tsy olom-pirenena Jamaikana izy. Diso fanantenana, hoy aho satria manana mpilatro lehibe tao amin'ny firenena betsaka hisafidianana i Jamaika, saingy eny, mety ho zava-dehibe ny antony sy ny politika ao ambadik'izany.

Nohazavaina ao anatin'ity lahatsary mampiseho an'i Anthony Abrahams, Talen'ny Fizahan-tany ao Jamaika nanomboka ny 1970-1975 ity ny antony nisafidianana an'i Sintra fa tsy teratany Jamaikana. Nomarihiny fa tamin'izany fotoana izany, dia nahaliana ny olona i Shina. Nanana hevitra hanasongadinana tovovavy Jamaikana taranaka Shinoa ny sampan-draharaha misahana ny dokambarotra tany am-boalohany mba hampisehoana fa mbola velona tsara ao Jamaika ny zava-miavaka avy any amin'ny Farany Atsinanana.

Tsy nandeha tsara ny ezaka fifantenana, na izany aza, Sintra no nisongadina, ary tantara ny sisa.

Nilaza mihitsy ny lahatsoratra bilaogin'ny Sebastian Books fa “resahina ny sariny ankehitriny satria mihevitra fanatsarana ny Biraon'ny fizahantany ao Jamaika”.

Tsy nisy ny fanamarinana fa nokaramain'ny governemanta Jamaikana ny pikan-tsarin'i Keys.

Mbola mihazona ny heviny ilay bilaogera

Pride should be taken from within, especially in a situation of a national photo-shoot; the use of models [of] external nationalities sends a bad message.

Tokony horaisina ao anatin'izany ny hambo, indrindra fa ao anatin'ny toe-javatra fakana sary ho an'ny firenena; mandefa hafatra ratsy ny fampiasana mpilatro manana zom-pirenena avy any ivelany.

Raha ho an'i Sintra Arunte-Brontë, nilaza izy fa voadoka noho ny fipongaran'ny fifantohan'ny olona indray momba ny afisy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.