Bolivia : Trano Fisakafoanana Mahazo Dera Noho Ny Fampandrosoany Malalaka Ny Reny Mampinono

sdfsfdsf

Ny vakin'ny tabilao : ” Neny, rehefa te-hampinono ianao, midira fa aza mangataka fahazoan-dàlana ary manafàra dite mafana maimaim-poana. Tsy mila mividy na inona na inona ianao.”

Nozaraina sy nankasitrahana nanerana ireo haino aman-jery ao an-toerana ny sarin'ilay trano fisakafoanana tsy mihinan-kena sy tsy mihinana ny rehetra vokatra avy amin'ny biby, izay manasa ireo reny mampinono.

Red Monkey no anaran'ilay trano fisakafoanana.

Tsy voarara ny fampinonoan-dreny imasom-bahoaka any Bolivia, ary araky ny voalazan'ny Ministerio de Salud (Ministeran'ny fahasalamana) dia i Bolivia no firenena Amerikana Tatsimo izay manana taha ambony amin'ny fampinonoan-dreny.

Izany akory tsy midika fa ampiana na arovana ny fampinonoan-dreny amin'ny toerana vory vahoaka (ohatra, any amin'ny trano fisakafoanana ary vitsy kokoa eny an-dàlambe).  Noho io antony io no nahasintonan'ity fandraharahana kely manodidina an'i San Miguel ity ny fisainan'ny  maro.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.