Ilay famonoana vehivavy tsy ela akory izay, nataon'ilay eritreretina ho rain-janany, sady mpiandry tsatokazo Breziliana tokony hanana ny hoaviny, dia nibaribary tanatin'ireo media, sy nahatohina mafy tokoa ny firenena manontolo noho ny haavon'ny herisetra nentina nanaovana ilay heloka bevava. Mandritra izany fotoana izany, ny Instituto Zangari [pt], ivontoerana ara-tsiansa iray ao São Paulo, dia namoaka Sarintanin'ny Herisetra ao Brezila [pt] ho an'ny taona 2010 ilazany fa vehivavy 10 isan'andro no maty misy mamono ao amin'io firenena io. Tsy azo nialàna, ny tontolon'ny fitoraham-bolongana dia mampifandray ireo zavatra roa ireo ary ny fanamelohana ny heloka bevava toy izao dia nanjary lohahevitra mangotraka any ambadik'ireo fampielezampeo sy fampahalalam-baovao mahazatra, izay nijanona fotsiny hatreo amin'ny heloka bevava nataon'ilay mpilalao baolina kitra.
Raha ny filàzan'i Nilcéa Freire, minisitra misahana ny politika momba ny vehivavy, ‘raha ny marina dia tena goavana be ny tsy firaharahan'ny media ny herisetra atao amin'ny vehivavy’ [pt]:
“Quando surgem casos, principalmente com pessoas famosas, que chegam aos jornais, é que a sociedade efetivamente se dá conta de que aquilo acontece cotidianamente e não sai nos jornais. As mulheres são violentadas, são subjugadas cotidianamente pela desigualdade”, afirmou ao ministra.
Tonga saina amin'io, ireo vondrom-behivavy, toy ny Pão e Rosas [Mofo sy Raozy, pt], dia manontany hoe impiry ny toy ireny no tokony hitranga ka miantso ireo vehivavy rehetra voaporiporitra mba hivondrona any an-tsekoly, eny amin'ny firaisana vodirindrina ary any amin'ny toeram-piasana.
Devemos exigir abrigos para as mulheres vítimas de violência e para seus filhos e filhas subsidiados pelo Estado, mas sob controle das próprias vítimas de violência, das organizações e comissões de mulheres independentes do Estado, da patronal, da polícia e da Igreja.
Samy manana ny fisehony ireo trangana herisetra atao amin'ny vehivavy any Brezila. Raha etsy andaniny, mihoatra ny famonoana 10 isaky ny mponina 100.000 any amina distrika 50, dia maherin'ny antsasa-manila amin'ireo tanàna Breziliana no tsy naharaketana vonoolona. Rehefa mampitaha ireo fanjakana Breziliana maro, dia mahazendana ireo elanelana:
Espírito Santo, o primeiro lugar no ranking, tem índices de 10,3 assassinatos de mulheres por 100 mil habitantes. No Maranhão é de 1,9 por 100 mil. “Os resultados mostram que a concentração de homicídios no Brasil é heterogênea. Fica difícil encontrar um padrão que permita explicar as causas”, afirma o pesquisador Julio Jacobo Wiaselfisz, autor do estudo.
Tanatin'ny 10 taona farany, vehivavy maherin'ny 41.000 avy amin'ny sarangam-piarahamonina maro samihafa eo anelanelan'ny 18 sy 30 taona no nisy namono, mazàna eo imason'ny zanany izay matetika ihany koa no iharan'ny herisetra [pt]. Ny tsy fahampian'ny sampan-draharaha mpandray an-tànana ireo vehivavy manana olana no voatondro ho iray amin'ireo antony mahatonga ho tsimatimanota ireo mpanao herisetra na eo aza ny lalàna Maria_da_Penha nivoaka ny 2006, izay manome fiarovana ireo vehivavy aorian'ny fitarainana iray sy manome antoka azy ireo fa ho voasazy tokoa ireo mpanao herisetra. Na zany aza [pt],
a nova lei não impediu o assassinato da cabeleireira Maria Islaine de Morais, morta em janeiro diante das câmeras pelo ex-marido, alvo de oito denúncias. Nem uma série de outros casos que todos os dias ganham as manchetes dos jornais.
Ny marina, ny ankabeazan'ireo tra-doza dia novonoin'ny olona akaiky azy ireo ihany, vady, sakaiza na lehilahy hafa izay mety ho nolavin-dry zareo [pt].
São casos como negativas de fazer sexo ou de manter a relação. Em 50% das ocorrências, o motivo foi qualificado como fútil, como casos de discussões domésticas. Houve 10% de mortes por motivos passionais, ligados a ciúmes, por exemplo, e 10% relacionado ao uso ou à venda de drogas.
Ny fototry ny herisetra dia lazaina [pt] ho miainga avy amin'ny tsy fanomezan-danja zavatra iray izay isan'ny mamaritra ny kolotsaina Breziliana:
Essas novelas de violência contra a mulher estão tirando do baú toda a brutalidade contra a mulher brasileira. Expôs as vísceras dessa cultura brasileira tão machista; colocou do avesso o iceberg de uma realidade que costumamos empurrar para debaixo do tapete. Os números dessa violência são tão grande que nos assustam e nos levam a pergunta, se essas ações são de seres humanos!
Ho an'ilay mpitoraka blaogy Flávia D. [pt] dia ny vehivavy mihitsy koa no isan'ny olana. Matetika izy ireo no manaiky sy mametraka ny anjara toeran'ny vehivavy ao anaty fiarahamonina ho andevon'ny lehilahy, ary matetika voalohany amin'ny fiampangana ireo vehivavy mitondra tena tsy araka izay heverin-dry zareo ho mifanaraka amin'ny tokony ho izy aminy, manamaivana ny zavatra ataon'ireo mpidaroka na dia tsy mivantana aza. Ho an'ny Barbarelas [pt], blaogy iray manokan-tena hiady amin'izay rehetra mety ho herisetra, ilaina ny mampivondrona ny fiarahamonina mba hampitsaharana izay endrika herisetra rehetra atao amin'ny vehivavy.
A violência contra mulheres e meninas é algo intolerável, inaceitável, fere a consciência da humanidade, é uma violação aos direitos humanos. Afeta a saúde, reduz anos e qualidade de vida das mulheres. O Brasil, como signatário dos documentos internacionais de direitos humanos das mulheres, e tendo uma legislação nacional a ser cumprida, não pode calar-se e omitir-se. Espera-se de cada autoridade que faça sua parte. E da sociedade, do movimento de mulheres e de homens pela equidade de gênero, que protestem contra estas manifestações do atraso cultural, do machismo e da omissão.
Ireo vehivavy mila fanampiana ao Brezila dia afaka miantso maimaimpoana ny 180 hiampangana ny herisetra atao azy ireo na izay an-tandrevaka ataon'ny manampahefana momba ny fitarainana sy ny tranga momba azy ireo. Ny vaovao dia nalaina avy amin'ny blaogy Contra Machismo izay mampahatsiahy ny mpamaky amin'ny lohatenin'ny lahatsorany fa ao Brezila dia mbola miseho lany isan'andro ny herisetra atao amin'ny vehivavy.