Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Jolay, 2017

Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Jolay, 2017

Nidina An-dalambe Ny Vahoaka Poloney

Mitohy ny famoriam-bahoaka hiarovana ny demaokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna eto Polonina ... Mampiseho ny fanantenana ho amin'ny fahafahana sy ny hoavy tsara kokoa ny labozia.

Onjam-peo Indizeny Antserasera Voalohany ao Brezila

Mampiasa teknolojia ny Rádio Yandê handravana ny fitsarana an-tendrony sy ny hevi-diso momba ny fiarahamonina tompotany ao Brezila.

Nakaton'i Kyrgyzstan Noho Ny Antony “Mahery Fihetsika” Ny Archive.org.

Nanapa-kevitra hanakatona tranonkala sy ny tranonkalany malaza 'Wayback Machine' roa taona lasa ihany koa i Rosia.

Arabisc: Asa Misokatra Ao Bahrain?

Bilaogera Bahrainita Silverooo, izay vao nahazo diplaoma tany amin'ny oniversite no mety mahazo ny lokabe ary hanambola be noho ireo nahazo diplaoma hafa mitovy taona aminy. Ny heviny? Ny torolalana hitanao ao ankavia - Asa Misokatra ho an'ireo Tsy Manan-traikefa.

Iran sy Isiraely: Mpifahavalo Mandrakizay Sa Mpinamana Amin'ny Ho Avy?

Betsaka ny bilaogera miresaka ny hevitr'izy ireo mikasika ny lahatsary an-tserasera nalefan'ny Century Foundation amin'ny fifandraisana misy eo amin'i Isiraely sy i Iran sy ny hery ara-jeo-politika ao ambadik'ity toe-javatra ity.

Senatera Filipiana Nanapa-kevitra Hanameloka Ny ‘Vaovao Faikany’ — Mety Hitarika Sivana Ve Izany?

Nametraka volavolan-dalàna tamin'ny faran'ny volana Jona ilay Senatera Filipina Joel Villanueva, izay manamemoka ny "fizarana vaovao faikany mampidi-doza." Nampitandrina ireo vondrona media fa mety hitarika ho amin'ny sivana izany.

Etazonia: Feo Tsy Misy Latsa-bato (Voices Without Votes)

Vitsy ireo lohahevitra manitikitika ny sain'ireo bilaogera manerantany - ary iray amin'izy ireo ny politika ivelany an'i Etazonia. Ankehitriny, manangana tranonkalam-baovao miaraka amin'ny Reuters ny Global Voices izay manokatra varavarankely mankany amin'ny adihevitra manerantany momba ny fifidianana filoham-pirenena 2008 ao Etazonia.

Ny Fahatakarana Ao Anatin'ny Vazivazy Ny Adin'i Pôrtô Rikô Amin'i Washington

Mametraka fanontaniana tsotra ny 'Dokambarotry ny Governemanta Marina ' ao amin'ny Juice Media : Vonona ve ianao amin'izany fahamarinana be dia be izany ?

Bolivia: Mpanaramaso ny Fahitalavitra Boliviana

Marobe ireo manana diplaoma momba ny asa fanaovan-gazety izay miady mafy mba hahita asa ao amin'ny haino aman-jery, indrindra amin'ny fahitalavitra. Fotoana izao hialàna amin'ny tsy fahampian'ny olona ary mampiditra olona vaovao manana hevitra marobe sy fiofanana tsara.

Asehon'ny Sariitatra Ny Zava-tsarotra Atrehan'ny Tontolon'ny Fampitam-baovao Ao Myanmar

Sariitatra maromaro navoakan'ny The Irrawaddy tao anatin'ny efa-taona, nanomboka tamin'ny taona 2014 ka hatramin'ny taona 2017 izay mampiseho ny dingana lehibe sy ny zava-tsarotra niainan'ny fampitam-baovao tao amin'ny firenena.