Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Septambra, 2018
Milaza ny Venezoeliana fa tsy afaka miditra amin'ny tolotry ny Google izy ireo
Mampaneno ny lakolosy fanairana ary milaza ny mety ho fanamafisana ny fanaraha-maso ny fifandraisana sy ny vaovao ny tatitra vaovao momba ny fanakanana ny aterineto.
Zeorzia: Hiaraka hatory amin'i Shorena ve ianao?
Nanantena ny hanao revolisiona ara-pananahana ny fandaharana kanefa tsy nahomby satria efa nandositra ny toe-tsaina hoe "tsy mila firaisana ara-nofo eto URSS" i Zeorzia. Efa lohahevitra tsy fady intsony izany ary angamba efa nisy ny revolisiona ara-pananahana, saingy tamin'ny fomba malefadefaka.
Nosamborina noho ny fanamarinana ny zava-misy: Nampandoavin'ny fitsarana Kazakh onitra ilay Okrainiana mpanao gazety
Mampiseho ny fankalahan'ny manampahefana ny adihevitra momba an'i Okraina ao Kazakhstan sy ny tolona naharitra ela niaraka tamin'ny gazety ao an-toerana ny zava-misy.
Nisokatra ny fisoratana anarana tamin'ny loka ‘Best of the Blogs’ (Bilaogy Tsara Indrindra)
Nikarakara ny fifaninanana iraisam-pirenena fanao isan-taona fahaenina amin'ny loka Bilaogy Tsara Indrindra 'BOBs' ny Deutsche Welle. Tamin'ity taona ity dia nisy loka vaovao ho an'ireo bilaogera tsara indrindra niresaka momba ny fiovaovan'ny toetr'andro sy ny sokajy vaovao ho an'ny fiteny Bangla (Bengali) ihany koa.
Azia Atsimo: Mariazy ifanarahana, firongatry ny bilaogy Hindi, fotoana ho an'ny fanovana fitondrana ao Pakistan, vehivavy ao Afovoany Atsinanana
Ny malaza indrindra farany avy amin'ny bilaogy isan-karazany Aziatiaka Atsimo
Shina: CCTV ambanin'ny afon'ny… tsikera
Ny alin'ny 9 hifoha 10 febroary, nirehitra ny ampahany iray tamin'ny Tilikambon'ny CCTV, ny Fahitalavitra Foibe ao Shina, raha teo ampiitifirana afomanga ho fankalazana ny fetin'ny Harendrina ny ekipana mpahay momba ny afo (pyrotechniciens) iray. Nahafatesana olona iray, mpamonjy voina, ary naharatràna olona fito sy nahasimbana fotodrafitrasa sy fitaovana mitentina miliara yuan maro izany afo izany.
Momba ny Fanoratana Bilaogy Any Amin'ny Faritra Misy Fifandirana
''Nandritra ireo roapolo taona lasa, olona mihoatra ny iray tapitrisa ao avaratra no miaina ao anatin'ny toby natokana ho an'ny Olona Nafindra Monina ao antin'ny taniny ihany (IDP), matahotra ny fanafihana mety hataon'ny Lord's Resistance Army (LRA) (LRA) sy ny herisetra asehon'ny fanjakana isanandro. ''
Oganda: Fanontaniana, Fiara, Very asa noho ny bilaogy
Nahoana no mbola miaina ao anatin'ny fahantrana lalina ny Ogandey an-tapitrasany kanefa mihamaro ny olona ao amin'ny firenena afaka mividy marika kodiarana vaovao isa-taona sy takelaka manokana ho an'ny laharan'ny fiara?
Ejypta: Ny Andian-tantara Mpanjaka Farouq
Raha nitsidika ny tontolon'ny bilaogy Ejipsiana ianao tato ho ato, dia mety hitanao ny resabe manodidina ny mpanjaka farany Ejypsiana Mpanjaka Farouk; ary tsy mahagaga, satria ny tantara mitohy "Mpanjaka Farouk", nosoratan'i Lamis Jabber, dia nalefa tao amin'ny fantsona zanabolana MBC1.
Miangatra mamely an'i Shina ve ny media tandrefana? (Fizarana voalohany)
Nilaza i Shina fa mitongilana mamely azy ny media tandrefana. Nanao fitsapana izany filazana izany izahay tamin'ny fampiasana fitaovana fanadihadiana data anankiroa.