Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Janoary, 2021

Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Janoary, 2021

Mpianatra voasambotra tany Balochistan noho ny fitakiana ny fahazoana miditra amin'ny aterineto 

Nanaovana herisetra, novelesina kibay ary nosamborina tao Quetta, Balochistan ny mpianatra maromaro noho ny fihetsiketsehana manohitra ny tsy fisian'ny aterineto taorian'ny niovan'ny fampianaran'izy ireo ho ampitain-davitra vokatry ny fepetran'ny COVID-19.

Noraran'ny Nosy Solomon noho ny “votoaty manimba” ny Facebook

"Aza miditra amin'ny fiainam-bahoaka sy mampihatra ny lalàna sy mandray fanapaha-kevitra hahasoa ny tenanao manokana na ho fiarovana anao manokana araka ny fahitana azy amin'ny fandraràna ny Facebook."

Kiobà, Etazonia: Manitatra ny sampan'oliva ?

Nanambara fanovana lehibe tamin'ny politikan'i Etazonia sasany ny fitondran'i Obama, natao “hanoloran-tanana ny vahoaka Kiobana hanohanana ny fanirian'izy ireo hamaritra malalaka ny hoavin'ny fireneny.” Na dia nanala ny famerana tamin'ny fivezivezena sy ny fandefasana vola aza ny fiovan'ny politika ary nanokatra làlana ho an'ny fanatsarana ny fifandraisan-davitra bebe kokoa tao...

Fitantanan'ny Roandey nandritra ny valanaretina: Fotoanan'ny fandinihantena izao

Volana maro taorian'ny nampiharana ny fanapahankevitra hanao fihibohana, tsy nasian'ny governemanta resaka ny fitakian'ny vahoaka momba ny fanampiana ara-tsakafo. Fotoana ve izao tokony hiverenany mandinika ny lasitra fitantanany?

Lahatsary fohy nataon'ny tanora Kambodziana hampahafantarana ny ady atao amin'ny fanelezana vaovao diso momba ny COVID-19

Resahan'ireo lahatsary ny anjara toeran'ny tanora ao anatin'ny ady atao amin'ny fanelezana vaovao diso momba ny valanaretina coronavirus