Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Oktobra, 2019
Filipina : miady mafy ny mba ho velona ireo toerana fampielezampeon'ny vondrom-piarahamonina na eo aza ireo fanafihana sy zava-tsarotra
"Raha tsy afaka mampiasa ny haino aman-jery natao ho an'ny daholobe ireo voailika voahilikilika, dia tsy maintsy avela hanao izay handrenesana ny feony izy ireo"
Mbola any am-ponja ilay mpanao gazety Nizeriana Omoyele Sowore noho ny fiampangana namboamboarina tamin'ny famadihana tanindrazana sy ny fanevatevana ny filoham-pirenena
Mahita ny fitazonana mitohy an'i Omoyele Sowore sy ny fiampangana hanenjehana azy ho fanamelohana tsotra fotsiny ny mpanohitra ara-politika any Nizeria ny vondrona mpiaro ny zon'olombelona.
Gazety aostraliana manohitra ny lalànan'ny governemanta momba ny tsiambaratelo amin'ny alalan'ny sivana ny lohatenim-pejiny
"Saingy miaina anatin'ny tahotra fiampangana heloka bevava ny mpanao gazety sy ny mpitsikera any Aostralia, amin'ny fanafihana ataon'ny polisy sy ny ady ara-pitsarana izay mandrahona ny asan'izy ireo sy ny fahalalahan'izy ireo manokana."
Ametraham-panontaniana indray ny zo hitantara : Kiobàna mpanao gazety, iharan'ny tsindry ataon'ny mpitondra
Periodismo de Barrio no mtantara ireo fomba nisamborana ireo roa mpanao gazety avy ao aminy noho izy ireo nanatanteraka ny asany
Mozambikana mpanora-gazety sy mpikatroka lasibatry ny fandrahonana amin'ny taom-pifidianana
Nandrakitra tranga maro izay ahazoan'ny mpanora-gazety sy mpikatroka fandrahonana sy fitsabahana amin'ny asany mifandraika amin'ny fifidianana ireo fikambanana mpandala ny zon'olombelona.
Ahoana ny nananganan'ny vondron'antoko mitondra ao Ethiopia boky fampiasana handisoam-baovao
Lasa tondrozotra ho an'ny vondrona mpanohitra hamelezana ireo mpifanandrina aminy sy ny governemanta ny taktikam-pikirakirana ifamelezan'ny mpikambana amin'ny ady anatiny.
Manohy manafay ny vaovao antserasera ny governemanta Zimbaboe mba hifehezana ny fisantaran'andraikitry ny olom-pirenena
Nipoitra tamin'ny politika fanjanahana tamin'ny taonjato faha-20 ny fifehezana ny fampitam-baovao any Zimbaboe, izay feno fisolelahana tafahoatra tamin'ny fahefana politika. Nosokajian'ny governemanta Rhodeziana notarihan'i Ian Smith ho toy ny "fitaovam-piadiana nosafidiana ny propagandy sy ny fifehezana ny vaovao, mba tsy hanohanana ny maha ara-dalàna ny fitondrana ihany fa mba hanasavoritahana vaovao diso momba ny ady.
Raha mihatsara ny filaminana ao El Salvador, mihemotra kosa izy eo amin'ny fahalalahan-gazety
Raha mihavitsy noho ny teo aloha ny famonoan'olona ao El Salvador, dia hita ho mirona mankany amin'ny fanivanana ireo fampitam-baovao sy feo mitsikera ny governemanta.