Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Marsa, 2017
Raha Te-hahafantatra Ny Toetoetry Ny Teknolojia Ao Kiobà, Dia Aza Variana Amin'ny Lohateny Fotsiny
Tapatapaka ny aterineto, ratsy ny kalitaon'ny fifandraisana ary midangana ny saran'ny fidirana amin'ny ateriento. Saingy tsy fantatrao amin'ny famakiana ireo lohatenim-baovao sasany izany.
Naniry, Tena Naniry Fatratra Fifanarahana Visa Maimaim-poana Amin'ny Vondrona Eoropeana I Zeorzia , Ary Tonga Ny Fety Ankehitriny
"Afaka mitsidika ny faritra midadasika Schengen ao Eoropa mandritra ny 90 andro ao anatin'ny fe-potoana maharitra 180 andro ireo teratany Zeorziana nanomboka tamin'ny Talata"
Famonoana Mpitati-baovao tao Meksika Miteraka Fahatafintohinana Manoloana ny Herisetra Atao Amin'ny Mpanangom-Baovao
novonoin'izy ireo i Miroslava noho ny fitenenana, noho ny fandraisana ny vaovaom-bahoaka takian'ny fiarahamonina ary nampahatezitra ireo eo amin'ny fahefana, amin'ny endriny rehetra.
Andeha Hiarahaba Ireo Mpikambana Roa Vaovao. Manaraka Izany: Mila Anao Izahay Ho An'ny NewsFrames!
Mijery tsara avokoa ny rehetra ao amin'ny NewsFrames ary faly izahay manambara ireo fanampiny roa vaovao ao amin'ny ekipanay: Belen Febres-Cordero sy Nevin Thompson.
Hong Kong : Ny Worker News Izay Namaky Bantsilana Ireo Anganongano Momba Ireo Mpitsoa-Ponenana No Nahazo Ny Loka
"Tao anatin'ny taona vitsy, dia niroborobo ny fitsaratsaràm-poana ataon'ny fiarahamonina any Hong Kong ireo olona avy any amin'ny firenena hafa."
Naaton'ny Fitondrana Miramila Thailandey noho ny ‘ Fitsikerana Tsy Am-piheverana’ sy ny ‘Votoaty Mitongilana’ ny Voice TV
"Manamafy izahay fa tsy mandrahona ny filaminam-pirenena ny votoaty na dia mety hanome fomba fijery hafa aza ny Voice TV. "
Tanora Iraniana Miatrika Fanamelohana Ho Faty Noho Ny Lahatsoratra Manohitra Ny Islamo Tao Amin'ny Media Sosialy
"Maritiora tamin'ny ady nandritra ny valo taona ny raiben'i Sina. Nanompo ny tafika nandritra ny roa taona i Sina . Manan-jo bebe kokoa noho ny ankamaroan'ireo manampahefana eto amin'ity firenena ity i Sina ."
Loko Mena, Fijokoana ary Fanafihana An-tserasera: Manameloka Ny Firongatry Ny Herisetra Ny Gazety Mpanohana An'i Beijina
Nitarika sahoan-dresaka hoe mizarazara ny tarika mpanohana an'i Beijina any Hong Kong ireo fandrahonana ireo ary voaomana hamongotra sehatra iray mahery vaika ao anatin'ny antoko Kaominista ny Filoha Shinoa Xi Jinping.
Fitsidihana Foibe Iray Fitsaboana Aretin-tsaina Ao Moskoa
Vao haingana izay, nitsidika tovolahy iray tany aminà foibe fiahiana olon-dehibe ao Moskoa i Vera Shengelia, Rosiana iray mpanao gazety sady mpikatroka mafana fo ho an'ny fahasalamana ara-tsaina. Nampihorohoro azy ny zavatra hitany.
Tatitry ny Media Japoney, Manamaivana Ireo Niharan'ny Fandefonana Tao Amin'ilay Trano Fikarakaràna Sembana Ao Sagamihara
Mbola manisy tsindrimpeo lehibe amin'ny fitadiavana izay antony nanosika ireo fandefonana ihany ny tatitr'ireo mpampahalala vaovao, na efa ilay nahavanon-doza mihitsy aza no manamafy hoe "....Tsara kokoa raha manjavona ireo olona manana fahasembanana.”