Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Oktobra, 2014
Fahatsiarovana An'i Hazel Ward-Redman ilay Olo-Malaza Mpisava Làlana Ny TV Tao Trinidad & Tobago
Nodimandry i Hazel Ward-Redman, izay nanasongadina ny talenta ara.javakanto sy mozikan'ireo tanora ao Trinidad sy Tobago tamin'ny alàlan'ny fandaharany tao amin'ny fahitalavitra. Maneho fanajàna azy ireo taizany sy ireo mpankafy.
‘Ny Fomba Fitantara sy ny Media Ho Amin'ny Tontolo Tsara Kokoa': Zaikaben'ny Media Manova 2014 Ao DC
Hiresaka fomba fitantara, famoronana ifarimbonana, teknolojia vaovao, orinasa sy fivelomana maharitra, ny mahasoa sy ny mahasalama, ny saripka, ny horonantsari-mihetsika sy ny mozika, ny asa fanoratan-gazety, ohatra amin'ireo lohahevitra maro hodinihana, ireo mpandray anjara amin'ny TMSummit.
Lahatsary YouTube Mampihetsi-po Manome Fitenenana Hoan'ny Olon-tsotra Iraniana
Inona no mampatahotra indrindra ny Iraniana? Manontany an'io amin'ny Iraniana eny an-dalambe ao Tehran ilay mpanatontosa horonantsarimihetsika.
Tafio-drivotra Mahery Vaika Vongfong Namono Olona 2, Maherin'ny 70 Kosa No Naratra Tao Japana
Olona teo amin'ny roa tapitrisa teo no nafindra toerana, ary mbola goavana ny fahasimbana tao amin'ireo faritra ambanivohitra mitoka-monina tahaka ny ao Okinawa na dia misy fetrany aza
Manohana An'i Okraina Ireo Rosiana Lehiben'ny Mpanohitra, Fa Tsy Hiverina Kosa Anefa i Krimea
Manana hafatra ho an'i Okraina ireo lehiben'ny mpanohitra, Alexey Navalny sy i Mikhail Khodorkovsky : Lasa iny i Krimea, ary tsy hahatafaverina azy intsony i Okraina.
Fanontaniana 6 Tsy Sahinao Mikasika An'i Kamerona
Tantarain'i Gaelle Tjat ao Yaoundé ny Kamerona-ny
Inona No Ratsy Indrindra Ho An'i Inda: Ny Rivodoza Hudhud Sa Ny Fisavoritahan'ny Media Momba Azy?
Tao amin'ny Twitter, nitaraina ireo Indiana maro fa ilay fanaingàna fihetseham-po tafahoatra tany anatin'ireo vaovao no tena nahatonga ny fahapotehana be indrindra fa tsy dia ilay rivodoza loatra.
Olon-tsotra Mpampita Vaovao Nisy Naka An-Keriny sy Namono tao Meksika Fa Nitatitra Fikambanan-Jiolahy
I María del Rosario Fuentes Rubio dia nanolo-tena ho mpandray anjara tao amin'ny Valor por Tamaulipas (Herimpo ho an'i Tamaulipas), sehatry ny olon-tsotra iray fampitam-baovao mamela ny mpiserasera hanao tatitra, tsy manonona ny anarany, amin'izay herisetra hitany.
Nahazo Fampitandremana Ny Haino Aman-Jery Malagasy Rehetra
Tanora Mpanao gazety misandratra, Heninkaja Rakotomanantsoa, talen'ny famoahana sy tonian'ny fanoratana ao amin'ny fahitalavitra iray eto Antananarivo, Madagasikara no namoaka izao sata manaraka izao. Hafatra avy amin'i Heninkaja Vonin'aina...
Nanaraka ireo Mpifanolo-bodirindrina Aminy Ao Azia Atsimo-Atsinanana Amin’ny Fametrahana Lalàna Hentitra Momba Ny Aterineto i Laôsy.
Mihevitra ny kiana atao amin'ny politikan'ny governemanta ho toy ny asa ratsy ilay lalàna vaovao ary mandrara ny "Fanaparitahana vaovao izay manova ny marina na manimba ny fahamendrehana sy ireo zon'ny tsirairay, ny sehatra maro, ny ivon-toerana samihafa sy ireo fikambanana maro."