· Novambra, 2017

Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Novambra, 2017

Maraoka: Nogadraina Ilay Mpankafy Barça Raha Nanoratra Hoe “Andriamanitra, Tanindrazana, Barça”

Maro ireo bilaogera no gaga raha nahafantatra fa voaheloka higadra 18 volana  ny tanora Marokana iray noho ny heloka madinika. Ilay zatovolahy, mpankafy Barça, dia voalaza fa nanoratra hoe "Andriamanitra, Tanindrazana, Barça" teo amin'ny solaitrabe tao an-dakilasiny . Ny teny filamatra ao Maraoka dia hoe "Andriamanitra, Tanindrazana, Mpanjaka".

27 Novambra 2017

Bahrain: Nahoana Ny Biraon'i Al Jazeera No Nakatona?

Nambaran'i Bahrain fa vonjimaika no nanakatonana ny biraon'ny Fantsona Al Jazeera Mandeha amin'ny Zanabolana noho ny "fanitsakitsahana ireo fifanarahana arak'asa". Mihetsika amin'ny fampiroboroboana ity lahatsoratra ity ireo mpitoraka bilaogy sy mpibitsika - indrindra fa taorian'ny tsaho niely fa nakatona ny foibe any Katàra noho ny tatitra navoakany momba ny fahantrana ao Bahrain. Mandritra izany fotoana izany, milaza ny Al Jazeera fa tsy mbola nampiasa akory ny birao tao Bahrain fa inona no tena zava-nisy marina?

22 Novambra 2017

Iran: Krizy Nokleary, Antenina TV Zanabolana Vaky & Mpianatra Nogadraina

Araka ny filazan'ny fampahalalam-baovao, nanome ny valinteniny ofisialy tamin'ny fangatahan'ny firenena matanjaka manerantany mba hampiato ny  fampitomboany ny oranioma ho takalon'ny fonosam-bola i Iran. Mbola miresaka momba ny krizy nokleary Iraniana sy ny vokatr'izany ny fampahalalam-baovao sy ny bilaogera manerantany. Andeha hojerentsika ireo bilaogy Iraniana vitsivitsy:

17 Novambra 2017

Iran : Andiana Tafiodrivotra Nifanesisesy

Tato anatin'ny herinandro vitsivitsy, maro ireo tanàndehibe Iraniana any atsimo sy atsimo-atsinanan'ny firenena no nandalovan'ny tafiodrivotra maromaro. Bilaogera Iraniana maro no nitsikera ny fampahalalam-baovao Iraniana noho ny tsy fitaterany azy ireo ka dia namoaka ny lahatsary sy sary antserasera maromaro izy ireo.

16 Novambra 2017