Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Jona, 2016
Melohan'ny Fitsaràna Indiana Ny Biraon'ny Horonantsary Noho Ny ‘Fanivanany’ Sarimihetsika Miresaka Fihinanana Rongony
Miaraka amin'ireo tranganà sivana maro sy fibahanana mikendry ny 'fahalalahana miteny', misikina ireo fomba rehetra amin'ny fanandramana ny hamoaka ny horonantsary Bollywood, tsy asiana fanatapahana goavana.
Noporofoin'ny Vondrona Mpiaro Ny Zon'Olombelona Ao India Fa Tsy Voatery Hidika Fahaverezam-Panantenana Hatrany Ny Tsy Fahampian'isan'ny Mpampianatra
Hitan'ny tatitra vao haingana nataon'ny Oxfam fa tsy ampy mpampianatra ny 37 isan-jaton'ny sekolim-panjakana fanabeazana fototra Indiana noho ny tsy fahampian'ny famatsiam-bola
Pôrtôrikàna No Ankamaroan'ireo Namoy Ny Ainy Tamin'ilay Vonomoka Tao Orlando
Misaona ny famoizana ireo hava-malalany maty tany amin'ny iray amin'ireo toerana malaza falehan'ny Pôrtôrikàna mifindra monina any Etazonia hikatsaka fiainana tsara kokoa ry zareo Pôrtôrikàna
Mariky Ny Fanombohan'ny Hazalambo Manaraka Hanjo Ny Media Ao Rosia
Raha mbola mitaingin-tsoavaly hiatrika fanafihana iray hafa hanohitra "ireo mpiasa vahiny" i Maosko, tsy afaka naka fotoana tsara akory i Ilya Ukhov raha fony nilaza fa mahazo famatsiambola miafina avy amin'ny governemanta Amerikàna ny Dozhd.
Mpanao Gazety Mpivady Voatafika Tao Makassar, Indonezia
Mpitranga ao Indonezia ny famelezana mpanao gazety. Tsy misy mpitatitra amin'ny fampitam-baovao ny fanafihana toy izao ary afaka tsy mahazo fanasaziana matetika ireo mpanafika.
Bilaogera Notorian'ny Bankim-pirenena ao Kenya Noho Ny Lahatsoratra Bilaogy “Manala-baraka”
Notorian'ny banky ilay bilaogera mampiady hevitra Cyprian Nyakundi tamin'ity volana ity noho ny andian-dahatsoratra momba ny banky. Mamaritra ny tenany toy ny "bilaogera Kenyana liana amin'ny politika, fitantanana, hosoka amin'ny orinasa sy tantara mahaliana momba ny olombelona i Nyakundi."
‘HiviSasa’, Tetikasa Fampitam-baovaon'Olompirenena Kenyana Ampiasaina Amin'Ny Tranonkalan'Ny Finday
Manome vaovao malalaka, maro karazana, mangarahara manome tanjaka ny fitondram-panjakana sy ny olom-pirenena. Manampy amin'ny fanapahan-kevitra tsara kokoa momba ny fiainana sy ny fitondram-panjakana ny olom-pirenena mahara-baovao vaovao.
Ankehitriny , Mampitandrina Ireo Mpamaky Mikasika Ireo Tambajotranà Fahitalavitra Rosiana Ireo Gazety An-tsoratra Rosiana
Nanao valinkafatra fampitandremana ireo mpamakiny ny gazety an-tsoratra ao amin'ireo faritr'i Rosia, lasibatra taminà tatitra fanadihadiana manàla baràka tao aminà tambajotra fahitalavitra mpanohana ny Kremlin.
Rivodoza Roanu: Andro Ratsy Nananontanona, Sy Ny Valinkafatra “Fahombiazana” Avy Amin'i Bangladesh
"Raha tamin'ny 10 taona lasa aza, olona anjatony no mety ho faty noho ny rivodoza sahala amin'i Roanu, fonenana an'arivony rava - jereo ny fiovan-javatra, toy inona no fihenan'ny isan'ny maty..."
Varotra Zava-mahadomelina, Politika Sy Asa Fanaovana Gazety: Iza No Manompo An'iza Ao Anatin'ny Fampielezankevitra Peroviana?
Andro maro nialoha ny fifidianana ho filoha tao Però, nisy ny ampamoaka nilaza fa noho ny resaka fanadiovana vola maloto dia anaovan'ny DEA fanadihadiana ny sekretera jeneralin'ny antoko Fuerza Popular, ilay antoko politika niavian'ilay mpirotsaka Keiko Fujimori.