· Jolay, 2018

Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Jolay, 2018

Andeha hitsangatsangana ao Japana, mivantana ao amin'ny YouTube

  28 Jolay 2018

Efa ela ve ianao no te-hitsidika an'i Japana, saingy tsy mba afaka nanao izany? Na angamba tsy nanam-potoana, na lafo loatra ny tapakila fiaramanidina (sy ny zava-drehetra hafa momba ny fandehanana hiala-sasatra). Aza manahy--manao ny fitsangatsanganana rehetra ho anao ny fantsona Youtube Kappa2700s.

Ejipta: Manabaribary Ny Herisetra Miseho Mandritra Ny Black Out-n'ny Haino Aman-jery Ny Mediam-Bahoaka (Sary Mahery Setra)

Nandritra ireo dimy andro nahatapahan'ny haino aman-jery sy ny fifaneraserana tao Ejipta, vitan' ireo mpikatroka ny namadika ilay sivana ary namoaka lahatsary naharitra ora maro, naharakitra ny herisetra niseho nandritra ilay ''revolisiona'' izany, lavitra ireo sehatra milamina amin'ny fifamoivoizana tsotra ao afovoan'i Kairo sy ny làlana tsy misy olona izay alefan'ny fahitalavi-panjakana nandritra ilay fotoana fandraràna. Mahery setra avokoa ireo lahatsary ireo tamin'ny voalohany. tsaratsara kokoa raha miafinafina ny mpijery..

Koety: Nankalaza ny faha 29 taonany ny tilikambo

Nanamarika ny faha-29 taonany tsy nisy fankalazana firy ny Tilikambon'i Koety, vakoka lehibe indrindra ao amin'ny firenena. Saingy tsy nanadino an'io fotoana io ny bilaogera iray araka ny nosoratan'i Abdullatif Al Omar izay mitondra antiksa ihany koa any amin'ny fihaonan'ny bilaogera... sy mizara amintsika ny zavatra hita tany amin'ny tranon-tsinema.

Liberia: Ny fiandohana sarotra ho an'ny tontolon'ny blaogy

Rising Voices  24 Jolay 2018

Sarotra ny maminavina toerana iray izay tena sarotra kokoa ny fitazonana blaogy noho ny any amin'ny firenena izay tsy misy fizarana herinaratra ho an'ny daholobe fotsiny tsotra izao. Fa ireo liberiana mitsiriritra ny ho mpanao gazety mazoto kosa dia miasa mafy mba hanjohy an'ireo mpanao gazety sy blaogera mpiara-miasa aminy any amin'ny sisintanin'ny haino aman-jery afrikanina vaovao''