Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Avrily, 2012
Kioba: Maneho Hevitra Momba Ny Famotsorana an'i Ferrer García Ireo Any Am-pielezana
Nafahana tao anatin'iny faran'ny herinandro iny ilay voafonja noho ny fnehoan-keviny , Jose Daniel Ferrer Garcia. Mitondra fanamarihana momba izay fivoaran-draharaha vao haingana izay ireo bilaogera any am-pielezana
Kenya: Tanora Afrikana Efatra Mijoro Manohitra Ireo Fitsaratsaram-poana Ataon'i Hollywood
Taorian'ny nijereny lahatsary iray novokarin'i MamaHope manasongadina ankizilahy kely iray 9 taona mitantara sarimihetsika "commando" dia nanatona an'i MamaHope ny tovolahy 7 avy ao Kenya mba hizara izay fomba fijerin-dry zareo ny saimihetsika vokarina avy any Hollywood : ho azy ireto, dia ny fitsaratsaram-poana entin'ireo horonantsary maneho an'ireo lehilahy mainty hoditra.
Syria: Nanao “Fiaikena” Tamin'ny Fahitalavitra Ilay Mpikatroka Ali Mahmoud Othman
Nosamborina ilay mpaka sary sady mpikatroka Ali Mahmoud Othman, lehiben'ny birao fampahalalam-baovao an'i Baba Amr ao Homs, tamin'ny 28 Martsa. Mihevitra ireo mpikatroka namany fa niaritra fampijaliana mafy izy hatramin'izay nisamborana azy izay. Nanambara...
Tonizia: Gidraka Momba Ny Hoavin'ny Televizionam-Panjakana
Tonga amin'ny famaranana azy tamin'ny 25 Avrily teo ny fitokonana mipetraka naharitra valo herinandro teo ivelan'ny biraon'ny televizionam-panjakana tao Tonizia. Nodradradradrain'ny mpanao fihetsiketsehana ny “fanadiovana” azy
Brezila: Mpanao Gazety Sady Bilaogera Novonoina Tao São Luís, Maranhão
[Teny Portiogey avokoa ny rohy ankoatra izay lazaina manokana] Tifitra roa teo amin'ny lohany raha kely indrindra no namonoana ilay Brezilianina mpanao gazety sady bilaogera Décio Sá tamin'ny alin'ny alatsinainy 23 Avrily...
Ejipta: Adihevitra Amin'ny Fahitalavitra Amin'izay?
Mihamanatona ny Fifidianana filoham-pirenena Ejipsiana, mihamaro ny antso hisian'ny adihevitra eo amin'ny samy hofidiana floham-pirenena tsy ao Ejipta ihany fa manerana ny tontolo arabo ihany koa.
India: Ozinina Tsy Ara-Dalàna Mikirakira Asfalta Miteraka Homamiadana Amin'ny Mponina
Nampahafantatra ny olana atrehin'ny tanàna kely iray ao Rajasthana ny tetikasa Video Volunteers’ India Unheard (Lahatsarin'ny mpilatsaka an-tsitrapo mampiseho an'i India Tsy Fandre), orinasa tsy ara-dalàna maromaro mpamokatra asfalta no mandoto ny...
Mali: Mangina Tanteraka Ny Serasera Ao An-toerana
Tototry ny bilaogy, tweet, sy lahatsary avy any ivelany ny tontolon'ny aterineto, somary mangingina kosa ny mpiserasera maliana. Satria iharan'ny fahatapahan-jiro lava matetika ny renivohitra Bamako kanefa tsy misy ny lasantsy tokony hampadehanana ny tobim-pamatsiana herinaratra. Tsy ny fandefasana lahatsoratra arak'izany no vaindoha-draharaha fa ny ahitana vaovao momba ny zava-mitranga ao Avaratra.
Syria : Nosamborina tao Damas Ilay Mpikatroka Rima Dali Noho Ny Fanentanany Hampitsahatra Ny Famonoana Olona
"Atsaharo ny famonoana olona. Te hanorina Syria vaovao ho an'ny Syriana rehetra izahay.” Izany no teny hita tamin'ny sorambaventy nolanjain'i Rima Dali teo anoloan'ny antenimieran'ny Syriana ao Damas, tamin'ny Alahady 8 Aprily lasa teo, taorina kely ny nisamborana azy.
Syria: Nogadraina i Ali Mahmoud Othman, Ilay “Mason'ny Baba Amr”
Mpitolona amin'ny fanatontosana Lahatsary i Ali Mahmoud Othman, lehiben'ny tranom-piasana fampahalalam-baovao ao Bab Amr, no tratran'ny governemanta Syriana. Nihevitra ny mpiara miasa aminy sy ny namany fa nampijaliana mafy tsy...