Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Desambra, 2009
Kazakhstan: mpanao gazety novonoina, tsy miankina amin'ny asa
Sayat Shulembayev, 28 taona , mpanao gazety ao amin'ilay vohikalam-baovao sy horonantsary “Stan” dia novonoina tamin'ny fomba mahatsiravina tany Almaty. Araka ny lazain'ny mpamorona ny “Stan” , nanofa efitra iray...
Maneran-tany: “Mi-tweet” ho an'i #Gaza
Ho fahatsiarovana ny tsingerin-taona voalohan'ny fanafihan'ny Israely an'i Gaza tamin'ny Desambra 2008, mafana fo maro no nanomana ny fanentanana “tweet for Gaza” ao amin'ny Twitter. Manana betsaka amin'izany Jillian C. York
Serbia: Fandrahonana ny mpanao gazetin'ny B92
Ny mpanao gazety Serbiana Brankica Stankovic, namorona fandaharana amin'ny fahitalavitra momba ireo hooligans any Belgrade, dia nahazo fandrahonana hentitra, tamin'ny alalan'ny Facebook. Mandinika ireo valin-teny ao amin'ny tontolon'ny blaogy Serbiana i Sinisa Boljanovic
Tonizia: Mpianatra nofonjàna noho ny tafatafa nifanaovana tamin'ny Media
Nanagana Vondrona Facebook iray sy blaogy iray ireo mafana fo Toniziana ho fanohanana an'i Mohamed Soudani, 24 taona, izay nanjavona ny 22 Oktobra 2009, tao Tonizia, taorian'ny nanaovany tafatafa ho an'ny Radio Monte Carlo International sy Radio France International. Ren'ireo tapaka sy namana avy eo fa nogadraina sy nampijaliana izy.
Rosia: Mpitoraka blaogy Tatarstana iray voasazy 2 taona latsaka any amina Tobim-pigadràna
Irek Murtazin, sary avy amin'i Sergey Varshavchik Tamin'ny 26 Novambra, ny fitsaràna ao amin'ny distrikan'ny Kirov any Kazan, izay renivohitry ny Repobilikan'ny Tartastan, dia nanameloka an'i Irek Murtazin, mpanao gazety...
Tontolo Arabo: hevitra nanoloana ny fandrarana minaret any Soisa
Nanaiky ny handrarana minaret vaovao [tilikambon'ny moske silamo] tamin'ny alalan'ny fitsapa-kevi-bahoaka ny alahady 29 Novambra lasa teo ny 57,5%-n'ny mpifidy Soisa, izay manori-dalana ho amin'ny fanitsiana ny Lalampanorenana. Any amin'ny...