Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Jona, 2014
Ahoana Ny Amin'ireo Maherifo Tsy Fantatra Any Bermuda?
Mankalaza ny Androm-pirenen'ireo Maherifo i Bermuda ny 16 Jona, saingy miady hevitra mikasika ny mety hanatsarana ny fomba fankalazana izany ny mpitoraka bilaogy noho ny tsy fisian'ny olona tsarovana manokana tamin'ity taona ity.
Aoka Izay Ny Fampiasàna Ny Fitomboana Ho Fialan-tsiny Handotoana, Hoy Ireo Afrikana Mafana Fo
Ny vokatry ny Andro Maneran-tany 2014 ho an'ny Tontolo iainana ao Afrika: Tsy mamela ireo firenena hiaro ny tany ny filàna ny fitomboana eo amin'ny tanibe, hoy ireo Afrikana mpisolo vava.
Mifanditra Amin'ny Zo Handefa Mondialy Ny Fantsona Fahitalavitra Eto Afrika
Noho ny ady ara-pitsarana sy ny fanapahan-kevitry ny tambajotram-pahitalavitra, dia mety hisy ny mpanaraka ny fiadiana ny amboara manerantany eto Afrika no hosahirana amin'ny fanarahana azy.
‘Sambatra’ Any Thailandy? Ny Fomba Mbola Hanafoanan'ny Fitondrana Mpanongam-Panjakana Ny Demokrasia
Voasivana ny haino aman-jery, mahamay ny Facebook ary na dia ny fiarahabana amin'ny fomban'ny Hunger Game aza dia voarara. Tena "sambatra" ve ny vahoaka Thai eo ambanin'ny fitondrana miaramila?
Espaniola an'Arivony No Mitaky Repoblika Taorian'ny Fametraham-Pialàn'ny Mpanjaka
Mpandinika maro no mahita fa andrana hitazonana ny rafitry ny fanjakana misy mpanjaka io fametraham-pialàn'ny mpanjaka io.
Eoropa : Mampahery Ny Rosiana Ny Fandresen'ny Hery Ankavanana
Raha toa ka mampitaintaina ny sasany ao amin'ny firaisambe Eoropeana io fiovana io, betsaka ny Rosiana no nandray izany samboaravoara ao amin'ny fisarahan'ny Eoropeana izany ho toy ny fanamarinana ny fihetsika manohitra ny Firaisambe Eoropeana ataon'i Maosko.
Thailandy : Maka Aingam-Panahy Avy Amin'ny ‘Hunger Games’ Ireo Mpanohitra Ny Fanonganam-Panjakana
Hetsipanoherana voarara ? Tsy olana ho an'ireo mpanao fihetsiketsehana manohitra ny fanonganam-panjakana any Thailandy satria nandray ilay fiarahabana 'Hunger Games' ry zareo raha toa ka hetsika 'read-in' (famakiana boky) eny amin'ny toerana vory vahoaka no ataon'ny sasany.
Tsy Lalao Sy Fanalan'Andro Fotsiny Ny Mondialy Na Olaimpika. Noravan'Ity Habaka Ity Izany
Tsy voatery hampisy fiantraikany tsara ho an'ireo tanàna mampiantrano azy ireny lanonam-panatanjahantena ireny. Mangady ny tsara, ny ratsy ary ny mahasosotra amin'ny fampiatranoana ny habaka Sport Better Cities.
Fanandramana Itsapana Ny Olan'ny Fanolanana Ao India. Vokatra Mahasanganehana
Olana lehibe ao India ny fanolanana, saingy manampy hamaha ny olana ve ny fanaovana lahatsary tahaka izao? Ahoana ny hevitrao?
“Newsroum : Taratasy 100 Hampahafantarana An'i Romania”
Fisantaran'andraikitry ny Celsa ny “Newsroum” : efi-tranon-gazety natokana hiadiana amin'ireo fomba fijery diso sy hampahafantarana an'i Romania amin'izao fotoana.