Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Jona, 2021
Ao Armenia taorian'ny ady, ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety no petahan'ireo mpanao lalàna
Hatramin'ilay ady, hozongozonin'ireo fepetra vaovao sy mazàna manjavozavo ny asa fanaovana gazety. Misy izao ireo tolodalàna vaovao tsy manao afa-tsy ny manasarotra ny fanaovana tatitra ao Armenia
Sangany amin'ireo media belarosiàna, namafa lahatsoratra an-tambajotra mba hiarovany ny mpiasa
Nesorin'ny toniandahatsoratry ny Tut.by daholo ireo votoaty virtoaly navoaka tamin'ny ankamaroan'ireo fantsom-baovaony tety anaty media sôsialy tamin'ny 2020 sy ny tapany voalohany ho an'ny 2021, anatin'ny tena mampafàna ny hetsipanoherana taorian'ny fifidianana.
Taorian'ny fanakatonana ny Apple Daily, namafa lahatsoratra sy nampiato famandrihana ilay media nomerika Stand News ao Hong Kong
Nilaza ilay famoahambaovao nomerika Stand News fa hanàla lahatsoratra fanehoankevitra sy tsanganana navoakany talohan'ny volana May ary hampiato ny fanekena fanomezana mba hampihenana ny mety ho kinanga hanjo azy araka ny lalàna momba ny filaminam-pirenena.
Seho andiana elefanta mirenireny any Shina. Tsy hoe ‘maha-te-ho-tia’ araka ny ahitana azy ireo.
"Nisy ihany ny manam-pahaizana nanome fanazavana momba ny dian'ny elefanta nianavaratra. Tsy niresaka ny marina ny tompon'andraikitra teo an-toerana."
Misaona ny famonoana ilay mpanao gazety Espaniola tany Burkina Faso ireo mpanao gazety mpitatitra ady
Nitombo hatramin'ny fanonganam-panjakana tamin'ny taona 2015 ny ady nifanaovan'ireo vondrona jihadista
Vondronasan'ny tambajotra sosialy any Laos: Hikendry ireo ‘vaovao faikany’ ve izy ireo sa hanisy sivana ny fitsikerana an-tserasera?
"Taratry ny fitondrana jadona nomerika hafa ao Laos ny fanamafisana ny fisoratana anarana amin'ny sehatra tambajotra sosialy sy ny fifehezana amin'ny fomba henjana ny vaovao an-tserasera."
Vehivavy mpitarika miresaka fanentanana amin'ny zo nomerika ao Thailandy
'...tokony hianatra hampiasa ny teknolojia ho fitaovana hampiteraka fifandraisana tsara amin'ny vahoaka ao an-toerana ny governemanta fa tsy mampiasa ny teknolojia hamoretana vahoaka'
Nanome fanampiana sy nivavaka i Pakistan amin'ny ady mafy amin'ny COVID-19 atrehin'i India
Nahatonga firaisankina sy fanohanana avy any Pakistan, ilay firenena mpifanila vodirindrina aminy sady fahavalony efa hatry ny ela, ny toe-draharahan'ny COVID-19 mahatsiravina tany India satria nifanatona noho ny valan'aretina ireo firenena ireo.