Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Aogositra, 2009

Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Aogositra, 2009

31 Aogositra 2009

Shina: Voakombom-bava ve ireo mpitoraka blaogy Tibetana?

Somary mampatahotra ihany fa ny ankamaroan'ireo vohikala malaza amin'ny teny Tibetana mpampiantrano blaogy (afa-tsy iray ihany) dia tsy azo nidirana efa ho telo herinandro izao. Na dia efa mahazatra ireo vohikala amin'ny teny Tibetana mpampiantrano blaogy aza ny fiatona (indraindray noho ny “fanamboarana”) mandritra ny fotoana faritan'ireo manampahefana ho saropady...

26 Aogositra 2009

Maraoka: Fanehoan-kevitr'ireo mpitoraka blaogy noho ny fandraràna gazetiboky

Ny gazety frantsay Le Monde koa dia nanara-dia ireo roa hafa voarara ao Maraoka taorian'ny namoahany ny vokatry ny fitsapan-kevitra nanadihadiana ireo olon-tsotra Maraokana hanomezan'izy ireo ny heviny momba ny fitondram-panjaka, King Mohammed VI. Jereo hoe fomba ahoana no nandraisan'ny mpitoraka blaogy ny sivana natao tamin'ilay lahatsoratra.

16 Aogositra 2009

Maraoka: “9 Isan-Jato aho!”

Toa naharomotra ny tontolon'ny blaogy Maraokana ny fanapahan-kevitry ny governemanta Maraokana hanàkana ny fipariahan'ny gazetiboky roa lehibe,Telquel sy Nichane, tokony hivoaka ny volana Aogositra. Teo am-panapariahana ny voka-pifidianana natao niaraka tamin'ilay gazety mpivoaka isan'andro Le Monde ireo gazetiboky ireo, izay niantsoany ireo olontsotra Maraokana hanome ny hevitr'izy ireo amin'ny fitondram-panjaka...

14 Aogositra 2009

iran:twitter sy facebook notsaraina

Omaly, niditra tamin'ny fihodinana faharoa tamin'ny fitsarana ireo mpanohitra sy mpanao politika refôrmista [mpitaky fiovana]  ny manampahefana iraniana. Tamin'ireo voapanga tamin'ity andiany ity dia nahitàna  vehivavy frantsay iray  24 taona, Clotilde Reiss, nampangaina ho nanao asa fitsikilovana. Saiky ny ankamaroan'ireo voapanga no voatondro ho nitarika ny olona hikomy sy manohitohina...

13 Aogositra 2009

Put it On: Fifaninanana ho an’ireo mpamokatra sarimihetsika

Ny fifaninanana Put It On Picture Show dia mety hahazoana vatsim-pianaranana hianatra any amin’ny New York Film Academy ary ihany koa loka mitentina 5000 dollars amerikanina, ho an’ny court métrage tsara indrindra, na ho an’ny long métrage tsara indrindra, ary koa ho an’ny mpaneho an-tsehatra [interpretation ] mendrika indrindra [Andoavambola...

09 Aogositra 2009

Rosia, Georgia: fanafihana an-tserasara an'i “Cyxymu” mpamaham-bolongana

Herintaona lasa izay dia nifanandrify tamin'ny lalao olaimpika tany Beijing 2008 ny adin'i Rosia sy Georgia, takon'io lalao ara-panatajahantena mitandro ny fandriampahalemana io. Ilay mpampiasa ny LJ/Twitter/Facebook cyxymu mipetraka any Tbilisi kosa indray no tena nokendrena, nahatonga ny fanembatsembanana goavana nahazo ny LiveJournal, Twitter ary Facebook tamin'ity herinandro ity, nanampy...

Arzantina: Manao izay hanakatonana bolongana ny vondrona media Clarín

Volana vitsivitsy lasa izay ny Global Voices no namoaka lahatsoratra miresaka momba ny vondrona fampahalalam-baovao marolafy arzantina hoe Clarín izay nanery ny YouTube hanakatona ireo mpikambana mampiasa ny rakikira an-tsary avy amin'ny programany vaovao ka mampiasa ireny ho toy ny hoe azy ny rakikira, nefa ny ankamaroany dia mitsikera ny...